faritr’i Vakinankaratra, ny sabotsy teo. Tsy maintsy hajaina izay halalina izay, hoy ny filoha tale jeneralin’izy ireo, Tovonanahary Rabetsitonta. Nasiana zezika taroka izay vokarina eto an-toerana sy tena mahomby izany avy eo, hoy izy. Zanakazo isan-karazany toy ny Polognia, izay misy 50 santimetatra ny haavony. Misy ny voamboana, ravintsara, akasia, hazo fihinam-boa maron-karazana. Efa misy mpiasa 4 mirahalahy eo manao andrimaso ity toerana ity sy mikarakara ireo voly. Misy tanimbary manodidina eto izay volinay ary misy koa volin’ireo tantsaha satria azy ny tany ary maimaipoana ny loharano ampiasaina manondraka ireo voly. 200ha eo midina any no tanimbary voatondraka avy amin’ilay loharano no ipoiran’ilay rano rehefa natao ny fambolen-kazo. Rehefa vita ny fambolem-bary dia misy ny voly avotra. Izay no nataon’ny tantsaha tao dia tonga taty ny mpanome masomboly hanaovana “cornichon” sy tsaramaso maitso izay haondrana any ivelany dia mahazo tombontsoa amin’izay voly avotra izay koa ny tantsaha. Ny faritr’I Vakinankaratra no isaorana betsaka nanome zanakazo miisa 3000 teo maimaimpoana avy any Antsirabe. Ny Polognia no izahay no nividy azy. 45 taona no efa natomboka ny fambolen-kazo teto. 30 taona lasa kosa no nipoiran’ilay loharano. 15 taona nisesy namboly hazo izany vao nipoitra ilay loharano, hoy hatrany ny tenany. Ankoatran’izay, hoy kosa ny tomponandraikitry ny serasera, Tahiana Razanamahefa, dia nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny tanora, indrindra, eo amin’ny lafiny fanatanjahantena izahay. Izay, hoy izy, no tena antony hahatongavan’ny filoha mpanorina ny 67 City FC, Faneva Andriatsima na Faneva Ima, eto satria iarahanay misehatra ny fitaizana ny tanora ao anatin’izany sehatry ny baolina kitra izany amin’ny maha mpanohana ofisialy ity klioba ity ny banky malagasy NIM sy ny Havana resort. Miisa 100 eo ireo mpilalaon’ny klioba tonga namboly hazo eto raha 500 kosa no totalinay rehetra, hoy hatrany ny tenany, ho adidinay amin’ny tanindrazana ihany koa.
J. Mirija
Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.
Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.
Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.
Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.