Tsy tena fantatra marina moa izay anjaran'ny tsirairay satria ankoatra ireo mpilalao 24 tany Alzeria dia nisy ireo mpangoron-damba sy mpikarakara ny fanamiana ihany koa. Valisoa fanintelony iny omaly iny taorian'ny nomen'ny Telma sy ny Filoham-pirenena.
Andrasana kosa ny fahatongavan'ny vola 500 000 dolara avy any amin'iny CAF satria mangataka ny mangarahara momba izany ireo mpilalao taloha izay efa voafitaka tamin'iny taona 2019 raha nandray 150 tapitrisa ariary tamin'ny vola 400 000 dolara nomen'ny CAF. Aoka mba ho an'ny zandrikely ny vidi-katsembohany hoy ny kapiteny Faneva Ima Andriatsima izay tena niaky tao amin'ny Canal Plus fa mahay noho izy ireo tamin'ny CAN 2019 ry Dax sy ny namany. Notsindrian'ity kapiteny ity moa ny mpilalao sasantsasany toa an'i Rakool, Jean Yves, Nina, Lalaina, Tsiry ary Donga sy Berajo. Fijeriny izay fa ny fanontaniana mialoha ny lalao hihaonan'ny Barea amin'ny Centrafrique dia ny hoe hisy tompon-toerana ve amin'ireo sa dia Bedos sy Ramalingom ihany no ho tompom-baolina. Dupuis ihany io e.
Clément RABARY
Iaro Razanakoto, antsoina hoe Jormmanbou, dia anisan’ny olo-malaza amin’ny hazakazaka
Mety farany vao misy ventiny ity andiany faha-28 n’ny Jeux Corporatifs
Resin’ny FDM Sofia tamin’ny isa 3 noho 1 ny FC Mananjary V7V‚ tamin’ny lalao