Ambohipihaonan’ireo mpitia fanatanjahatena sy ny vahoakan’ny Boriborintany fahaenina ny teny amin’ny Kianjan’i Todisoa - Anosibe Zaivola Ambohimanarina ny faran’ny herinandro teo. Betsaka tanora amin’ireo tanora eo anivon’ity Boriborintany ity no tia fanatanjahatena indrindra fa ny baolina kitra, ka nisy fanolorana omby miisa 3 sy ondry miisa 8 nataon’ny Depiote Todisoa Andriamampandry ho fanohanana sy fandrisihana hatrany ireo tanora mpiangaly io taranja io. Tao anatin’ny vanim-potoana nankalazana ny pantekoty ihany koa moa io, ka dia omby sy ondry izany no fanomezana avy amin’ity olom-boafidy ity ho an’ireo tanora mpitia kitra ao anatin’ny faritra iadidiany, ankoatra ireo asa sosialy hafa toy ny làlana, “cours” maimaimpoana,… Isan’ireo mpitarika tanora eny an-toerana hatramin’izay rahateo ity depiote ity sady mpilalao baolina kitra, ka manamafy hatrany ny fanohanany izay tsy vao sambany fa efa fanaony hatrizay. “Mitohy ny asa sosialy, manohana hatrany ny tanora sy fanantanjahantena ary mankasitraka ny mpandray anjara rehetra ary indrindra ireo mpiara-miasa”, hoy ny depiote Todisoa Andriamampandry.
Toky R
Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana
Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,