airtel

Sport

17-mars-2023

Sport

Fanomanan-tena amin’ny Lalaon’ny nosy

Sample post image

Mahatsiaro atao ankilabao tanteraka ny ady totohondry

17-mars-2023

Manomboka ny 2 mey indray izahay no hanao ny fampivondronana, hoy ny filohan’ny federasionin’ny taranja ady totohondry, Hery Mamy Rabarisoa. Efa mihetsika amin’ny fanomanana manokana avy na izany aza, hoy izy, ny ligy rehetra. Mbola tsy misy ny fampivondronana ataon’ny fanjakana. Vola am-paosin’ny filohan’ny federasionina, noho izany, no miantoka ny fampivondronana ireo izay hanao izany. Mifanao tsipaipaika eo izahay. Ny 2 hatramin’ny 14 may indray izahay hanao fampivondronana eto Antananarivo. Olona 4 isan-tsokajy no hiakatra eo, izany hoe 60 isa mahery any. 2 amin’ireo indray avy eo no tafajanona. Matoa tsy tafajanona dia tsy mahafa-po ny tekinisianina izany. Tsy manana fitaovana izahay fa ny atleta no samy mitondra. Itanareo mpanao gazety tsara io ringanay io. Any amin’ny fiodinana faharoa na “2nd round” dia efa mianjera io ringa io. Atahorana sao haratra izany ny atleta. Izany no olana ato izany. Tsy misy manana ringa afa-tsy io ringanay io anefa eto amin’ity Antananarivo ity. Io koa no manana fenitra iraisampirenena fa ny any amin’ny faritra kely noho io. Miantso avo amin’ny fanjakana izahay hoe mba hataovy amin’izay re ny fampivondronana ataonareo fanjakana! Izahay “boxe” tsy mba nandeha tany ivelany fa ny tekinisianina teto ihany no nikarakara. Efa izany mbola misy fingapingana ataon’ny sasany samy ato koa. Ny tanjonay na izany aza apetrakay hoe tsy maintsy mahazo medaly ny 95%n’ny handray anjara amin’io lalaon’ny nosy amin’ny volana aogositra io. Sokajy miisa 13 ny lehilahy ary 12 ny vehivavy amin’io. Sokajy 2 vehivavy ihany no tsy ananantsika dia ny 75 sy 80 kilao. Mbola miezaka mitady anefa izahay hatramin’izao. Miankina amin’ny sokajy ananan’ireo nosy rahavavy koa anefa io. Hiady izahay ary manana spaikadytratejia itondrana ny fanomanantena na dia anatin’io fotoana fohy kely io aza, hoy hatrany ny filohan’ny federasionina izay mahatsiaro ho ankilabao tanteraka.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap