airtel

Sport

20-sept-2021

Sport

Federasiona Malagasin’ny ady totohondry Mpitsara sy mpanazatra 41 nahazo fiofanana

Sample post image

Mpitsara sy mpanazatra miisa 41 mirahalahy no nahazo fiofanana teo anivon’ny Federasionan’ny ady totohondry eto Madagasikara ny faran’ny herinandro teo.

20-sept-2021

Ny Akademiam-pirenena misahana ny fanatanjahantena sy ny Ministeran’ny tanora no nanome ny fiofanana, raha ny fikambanana HAFARI Malagasy tarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina kosa no mpanohana ofisialy izany. Naharitra herinandro ny fiofanana izay nofaranana tamin’ny fizarana mari-pankasitrahana ka sady nisy ny teoria no nisy ihany koa ny fampiharana. Tanjona ny hahafahana manandratra avo ity taranja ara-panatanjahantena iray ity. Nambaran’ireo mpiofana nandritra izany fa tombony lehibe ho azy ireo ny fisian’izao fiofanana izao izay hitondra traikefa lehibe eo amin’ny fiainany ihany koa. Tsiahivina moa fa efa zanaka an-tranon-dRabarison Herimamy, filohan’ny federasionan’ny boxe ny filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy no sady filoha tale jeneralin’ny FITRAMA Rafanomezantsoa Jean Nirina. Ankoatra ny lafiny ara-pitaovana no manohana ara-bola ny federasiona ihany koa ny tenany.
 

Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap