Azo lazaina ho maro an’isa ihany izy ireo ankoatra ireo mbola any ambany ravinahitra tsy hita maso. Manan-jo hahalala vaovao sy hiaina toy ny olon-drehetra ny olona marenina. Ny tena mampalahelo anefa hoy ny federasiona misahana azy ireo dia zara raha misitraka vaovao izy ireo ankehitriny, indrindra amin’izao fotoana mampafampana ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika izao. Lasa mpanara-drenirano ny marenina no sady tsy manan-tsafidy intsony hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Tsy ampy mantsy ny isan’ireo olona afaka hanazava ny zava-misy amin’ny alalan’ny tenin’ny tanana amin’izy ireny hany ka lasa mijery fotsiny ihany izy ireo na dia mitovy amin’ny olom-pirenena rehetra aza. Tsy hain’ny marerina na dia ny laharan’ireo kandida miisa 13 hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena aza hoy hatrany ny tompon’andraikitra. Miantso ny fanjakana mijoro araka izany izy ireo mba hijery akaiky ireny olom-pirenena tsy mba afaka misitraka ny zony toy ny olon-drehetra ireny fa tsy hojerem-potsiny lalandava tahaka izao.
Pati
Legende : Zava-dehibe ho an’ireo olona marenina ny fanazavana ny zava-misy aminy amin’ny alalan’ny tenin’ny tanana tahaka izao !
Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana
Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,