airtel

Sport

12-sept-2022

Sport

Fiadiana ny Tompondaka eran-tany Farany vao nisy ventiny ny an’ny Makis

Sample post image

Farany vao nisy ventiny, nahavaky atody ihany ny Makis tao anatin'ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany amin'ny taranja rubgy vehivavy lalaovin'olona 7.

12-sept-2022

Nivoaka nandresy 19-12 isika omaly nanoloana an'i Colombie tamin'ny fiadiana ny laharana faha-15. Nikatona hatreo ny ridao ho antsika, izay raha hatambatra dia fandresena iray sy faharesena 3 no azontsika tao anatin'izay. Lavon'i Australie 48#0, resin'i Espagne 12#0, lavon'i Chine 36#5. Isan'ny lesona ho antsika no tsy fahampiana lalao iraisam-pirenena. Mila maka lesona ihany koa amin'ny fanomanana na ara-batana na ara-bola. Efa nampanahy rahateo ny fahafahantsika nakany Afrika Atsimo noho ny ara-bola satria tsy araka ny fampanantenan'ny Fanjakana. Voatery nifampiraharaha tamin'i Afrika Atsimo tamin'ny ara-bola. Isaorana ny Makis tamin'izay vita, amin'ny manaraka manarina indray.
MILA EZAKA
Maro ny ezaka mbola mila atao, tena ilaina ny fanamafisana ny fifaninanam-pirenena eto an-toerana ary ilaina ny fihaonana iraisam-pirenena mba hanazarana ny mpilalao sy hanatsarana hatrany ny paikady. Zavadehibe ihany koa ny filaminana sy fitonian-tsaina na ho an’ny mpilalao izany na ho an’ireo tompon’andraikitra rehefa hiatrika lalao goavana fa tsy atao resabe foana ny hoe saran-dalana sy akanjo fanamiana.Tokony hifantoka amin’ny lalao sy izay fomba handresena ny ekipa dia izay ihany fa tsy mbola hiasa saina amina zavatra hafa.
Toky R sy J.Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap