tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Sport

Fiatrehana ny Mondial Qatar 2022 Misy ireo tolotra azo isafidianana

Hitodihan' ny mason' ny daholo be ato ho ato ary mandritry ny iray volana ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny baolina kitra ho tanterahana any Qatar ny 18 novambra ka hatramin’ny 20 desambra 2022.

15-nov-2022

Sample post image

Tsy ho diso anjara ny Malagasy fa hahita mivantana ny lalao amin’ny alalan’ny TVM, etsy ankilan’izay dia manana tolotra miavaka ho an’ny besinimaro ny Tranombarotra « Baolai » etsy Analakely sy Soarano ary ao Bazar be Toamasina. Eo aloha ny marika Hisense izay mpanohana ofisialy ny « Fifa World Cup 2022 » ka ny Bao lai moa no masovoho ofisialy eto Madagasikara efa ho 12 taona lasa izao. Mifanojo amin' izany dia hisy ny fihenam-bidy goavana eo anelanelan’ny 18% hatramin ny 33% amin' izao fotoana izao amin ireo Laser Tv 4K de 100" sy Smart Tv ary télé Led misy manomboka 32" hatramin’ny 85" ( misy antoka 1 taona ). Ho an ireo izay manjifa smart tv de 85" marika jeyoo iray ao amin izy ireo dia ahazo ampli - baffle iray maimaimpoana. Ho hita ao ihany koa ny réfrigérateur ( izay mitazona ny hatsiaka 135 ora aorinan’ny delestazy), panneaux solaires mono sy polychristalline, subwoofer, climatiseur isan-karazany.Natao ho fitsinjovana ny mpanjifa izany rehetra izany.
Pati
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Tsipy Kanetibe Mafy ireto Betafo ireto
02-juin-2023

Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.

Card image cap
Basket 3x3 Resin'ny Malagasy ny Frantsay
02-juin-2023

Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.

Card image cap
Roro Rakotondrabe « Izay Malagasy ao amin'ny heriny no horaisiko »
01-juin-2023

Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.

Card image cap
Basketball - Ankoay Brezila sy Frantsa indray ny anio
01-juin-2023

Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.

Voir plus