airtel

Sport

20-mars-2023

Sport

FIBA 3x3 World Cup Qualifier 2023 Mila tohanana dien’izao ny Ankoay vehivavy

Sample post image

izany hoe fifanintsanana ahazoana ny tapakila iadiana ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja Basket Ball lalaovin’olona 3,

20-mars-2023

sokajy vehivavy. Handraisana firenena miisa 6 anjara izany ka isany i Madagasikara. Ireo ekipam-pirenena miisa 3 voalohany ao anatin'io fifaninana ho tanterahina any Israely io, hoy ny fampatsiahivana, dia tafita avy hatrany hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany hatao any Vienne - Autriche, ny 30 mey hatramin'ny 4 jona 2023. Isika rehetra hiaraka hanohana ny ekipam-pirenena malagasy. Ankoay vehivavy hiatrika ny “FIBA 3x3 World Cup Qualifier 2023”, dieny izao dia andeha tohanana, hoy hatrany ny fanentanana. Toy izao moa ny fizaram-bondrona amin’ity fifaninanana savaranonando voalaza teo ity. Ny vondrona A no ahitana ny ekipam-pirenen’i République Tchèque, Aostralia, Madagasikara. Ny vondrona B kosa no misy an’I Israely, Soisa, Kolombia. Mila tohanana dien’izao ny Ankoay vehivavy raha tiana ny ahita vokatra tsara, hoy hatrany ny fanentanana izay heverina fa tsy natao hiantefa amin’ny olompirenena ihany fa amin’ireo tomponandraiki-panjakana isan’ambaratonga indrindra indrindra, satria avo lenta ny fifaninanana mila vola sy fitaovana izany fa tsy vitan’ny kabary. Raha aty Afrika dia anisan’ny mamiratra ireo Ankoay vehivavy ireto ka inona moa no antony tsy haha lasa lavitra azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap