tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Sport

FIBA Word Cup 3x3 Hidona amin'ny rezatra ry Elly

Efa nampoizina ihany fa ho mafy ho an'i Madagasikara ity fiadiana ny ho tompon-daka eran-tany eo amin'ny basikety 3 x 3 hatao any Vienne (Autriche) ny 30 mey ka hatramin'ny 5 jona ity.

10-mars-2023

Sample post image

Ampatsahivina ihany fa raha mbola miady toerana any Israely ny vehivavy dia tafita avy hatrany ny lehilahy amin'ny maha tompondakan'i Afrika azy. Efa vita rahateo ny antsapaka ary fantatra izao ireo izay hiray vondrona amintsika .Tena ireo sangany avy hatrany no hifandonan'i Elly Randriamampionona sy ny namany satria ahitana an'i Frantsa, Alemaina, Serbia ary Brezila. Tena mafy fa tsy mbola manary toky avy hatrany ireto miaramilan'i Deda Randrianarivelo ireto. Hafa mihitsy mantsy ny lalao lalaovin'olona telo sy ny dimy. Tombony dia ny fahazan'izy efa-dahy miaraka. Ankoatr’i Elly mantsy dia efa niaraka taminy hatramin'ny fahakeliny tany Mahajanga i Livio Ratianarivo. Koa satria mila vatana koa ity taranja ity dia nantsoin'i Deda handrafitra ny ekipam-pirenena ihany koa i Arnol Solondrainy sy Fiary Rakotonirina. Raha ny fanomanana indray dia efa nanomboka ny tapaky ny volana febroary teo ary mbola tsy vitan'izay fa noho ny fahazain'ny filoha Mika Ramaroson mandresy lahatra dia mbola mitohy folo andro any Serbia izany kotrana izany. Ny basikety rahateo efa ataon'ny fitondrana laharam-pahamehana toy ny baolina kitra hany ka tsy ho sarotra aminy ny mahita ny ho enti-manana. Samy miandry ny rehetra fa hanoratra tantara vaovao Indray ry Elly ka hanole hafaliana ny Malagasy tsy vaky volo.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Tsipy Kanetibe Mafy ireto Betafo ireto
02-juin-2023

Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.

Card image cap
Basket 3x3 Resin'ny Malagasy ny Frantsay
02-juin-2023

Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.

Card image cap
Roro Rakotondrabe « Izay Malagasy ao amin'ny heriny no horaisiko »
01-juin-2023

Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.

Card image cap
Basketball - Ankoay Brezila sy Frantsa indray ny anio
01-juin-2023

Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.

Voir plus