Ny lohahevitra fototra dia niompana amin’ny hoe “Prix CIPRES, pour la promotion de la sécurité sociale au sein des Etats membres”. Tanjona ny hanomezana fankasitrahana izay tohan-kevitra tsara indrindra amin’ny fampivoarana sy fanomezana vahaolana vaovao amin’ny olana ara-tsosialy ao amin’ny faritry ny CIPRES, hoy ny fampitam-baovao voaray. Fepetra maro no napetraka ho an’ireo izay nandray anjara toy ny fifaninanana misokatra ho an’ny mpianatra eo amin’ny faha 5 taona amin’ny fianarana ambony. Fara fametrahana ny fifaninanana ny 31 oktobra 2022. Maro tamin’ireo firenena miisa 17 mpikambana ao amin’ny CIPRES ihany koa no nanana solontena tamin’ny fifaninanana ka anisan’izany i Madagasikara, tamin’ny alalan’i ramatoa Ravalison Lira Mejatiana, izay avy amin’ny fianakaviam-be CNaPS Madagasikara, no nibata ny amboara teo amin’ny laharana faharoa. Andriamatoa Samalia Djibrina, avy ao Niger, no nahazo ny laharana voalohany tamin’ny tohan-kevitra hoe “Ahoana ny fomba hanatsarana ny fitakiana ny latsakemboka amin’ny fomba tsotra sy an-tery eo anivon’ny tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy any Niger?” izay notoloran’ny CIPRES 5.000.000 FCFA. Ramatoa Lira Mejatiana Ravalison, avy eto Madagasikara, no faharoa, nahazo 2.500.000 FCFA, nitondra ny lohahevitra hoe “Ny psikolojian’ireo mpikambana manoloana ny fiahiana ara-tsosialy”. Fahatelo, andriamatoa Koumantega Koussalima, avy ao Togo, nitondra ny lohahevitra hoe « Ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa manoloana ny fitovian-jo », nahazo 1.000.000 FCFA, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nisy moa omaly ny lanonana fanomezana mari-pankasitraha manokana ny solontena malagasy tetsy amin’ny CNaPS Ampefiloha omaly, izay notronin’ny minisitry ny asa sy fampananan’asa Rivotiana Richard Jean Bosco.
J. Mirija
Raikitra ! Na tsy misy federasiona intsony aza na hoe misy fa sahirana amin'ny fifidianana izay ho mpikambana
Nidina ifotony ary nanampy ireo solontenan’ny klioba amin’ny taranja rugby izay natao tao amin’ny Kianja Malacam
Notanterahina ny alahady 24 septambra teo ny hazakazaka ho an'ny fandriampahalemana na
Ho ambohipihaonan'ireo mpilalao kanetibe ny eny amin'ny kianjanlny PAC etsy Ampitatafika ny 4 sy 5 oktobra ho avy izao.
Rehefa mitavozavoza manao zavatra dia lasan'ny olona ilay noheverina hitondra ny Barea A.