airtel

Sport

22-avril-2024

Fifaninanan’ny Ligue 2

Resy in-droa nisesy ny AJ Auxerre misy an’i Rayan

Sample post image

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

22-avril-2024

eo amin’ny Ligue 2 ho an’ny baolina kitra any Frantsa. Resy in-droa nisesy mantsy ny Auxerrois tao anatin’ny andro faha-32 sy faha-33 satria taorian’ny fiondrehana 3-4 nanoloana ny Stade Lavallois, dia niondrika 2-0 ihany koa izy ireo ny alahady lasa teo nanoloana an’i Rodez. Vokany, na mbola mitazona ny laharana voalohany vonjimaika aza ny AJ Auxerre, dia nijanona eo amin’ny « 61 points » ka isa 3 sisa no manelanelana azy amin’ny Angers SCO laharana faharoa izay manana isa 58, vao avy nandresy an’i Troyes 2-1 ny sabotsy teo. Mikasika an’i Rayan Raveloson, dia tompon-toerana hatrany izy, ary nilalao feno nandritra ny lalao farany teo. Anisan’ireo mpilalao 3 tsara naoty indrindra ao anatin’ny klioba tao anatin’ny lalao, araka ny naotin’ny Sofascore. Tao anatin’ny taom-pilalaovana kosa dia lalao 29 no nataony amin’ny maha tompon-toerana, nahafaty baolina 3 ary nahavita tolotra tsara nitondra tany amin’ny fahafatesana baolina 3. In-telo ihany koa izy no tafiditra tao anatin’ny “equipe type” mivoaka isan-kerinandro ho an’ny Ligue 2.
Toky R

 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Efa any Serbia ny Ankoay 3x3 manomana ny fiadiana toerana ho any amin'ny Lalao Olimpika any Paris

Card image cap
03-mai-2024

Hatramin’ny 1 may teo no efa heno fa voasazy tsy afaka milalao baolina kitra mandritry ny 2 taona i Rajomazandry Andrinirina na i Joma,

Card image cap
02-mai-2024

Mafy, tena mafy ity Miotisoa Rasendra ity raha samy junior ihany.

Card image cap