airtel

Sport

05-sept-2023

Fifanintsanan’ny CAN 2024

Efa tonga ireo tanora handimby

Sample post image

Nianga hihazo an'i Angola ny alahady hariva teo ny Barea hiatrika ny lalao fiadian-toerana amin'ny Amboaran'i Afrika hotontosaina ny alakamisy izao.

05-sept-2023

Ny zavatra manaitra voalohany dia ny fampidiran'i Roro Rakotondrabe ireo tanora vao erotrerony toa an'i Titouan Safidy ilay vodilaharana havia sady kapiteny ny FC Nantes latsaky ny 19 taona. Toy izany koa i Fortun Gianni milalao ao amin'ny US Torcy latsaky 19 taona izay vodilaharana ihany koa. Efa mijery sahady izay alahatra amin'ny volana Novambra mandritry ny fifaninanan’ny Amboara eran-tany angamba ny mpanazatra nefa inona moa no maharatsy izany tonga dia mijoro izy ireo? Ny Barcelone aza efa mamolalavola tanora kely ary toy izany koa ny Real de Madrid ka tsy tokony ho sakana izany. Na izany na tsy izany dia efa manana ny vonona ny Barea satria efa any i Rayan Raveloson, Marco Iaimaharitra ary Loic Lapoussin izay tompon-toerana mazava miampy ireo toto-tanana toa an'i Tendry, Lalaina, Tsiry, Donga, Berajo, Tantely, Dadafara ary i Nina. Ity farany no somary mampatahotra kely fa mivoaka tsy lera no lasa tia mampiasa totohondry na baolina tokony ho raisina aza. Ny asolo azy anefa dia mboka Melvin Adrien ihany izay efa tsy afaka nefa mbola io voantso io ihany noho ny antony tsy fantatra. Ary raha izay no fipetrany dia mety ho lasan'i Allan Rakotovazaha ny toerana. Asa aloha fa miakina amin'ireo vodilaharana ihany izay. Mety ho tsara satria efa milamina ny fiarahan'i Berajo sy Theodin, indrindra raha miverina amin'ilay 4-3-3 tany amin'iny CAN 2019 ka mandahatra an'i Rayan sy Marco ary Ando Pro na Donga eo afovoany. Ny telo any aloha kosa hatreto dia tsy misy afatsy i Tendry sy Loic aloha miampy an'i Jean Yves na Arnaud izay milalao any amin'ny El Gouna any Egypte fa saingy mbola diviziona faharoa ka mampieritreritra ihany indrindra raha tafaverina amin'ny heriny i Rojo Be, ilay Ajesaia taloha lasa any amin'ny Saint Pauloise.Ireo aloha no eo fa dia ny vintana sisa fa na dia fantatra aza fa nalentik'i Nicolas Dupuis dia mba miezaka mivoaka am-boninahitra ary mitondra fandresena mody.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap