airtel

Sport

19-févr-2024

Fifanintsanan’ny CAN 2025

Efa nivoaka ireo daty

Sample post image

Fantatra izao ny daty hanaovana ny fifanintsanana amin'ny CAN 2025.

19-févr-2024

Marihina moa fa tsy mandray anjara amin'ireo lalao sava-ranonando i Madagasikara noho ny laharana azony. Ny 18 ka hatramin'ny 26 marsa izao no hisy ireo lalao natokana ho an'ireo firenena ratsy laharana.Tsy miandry izany ny Barea fa efa tafiditra ao amin'ny satroka fahatelo. Midika anefa izany fa misy firenena roa mafy be miray vondrona amin'ny Malagasy. Ary raha telo isam-bondrona no tafita hanao CAN dia mety ho afaka ihany ny Barea indrindra fa azo ireo mpilalao heverina ho sangany toa an'i Francis Coquelin izay milalao any amin'ny klioban'ny Villareal ary efa nanirahana an'i Bolida mba hampiditra resaka. Raha mahita lohalahara tsaratsara koa dia tena mety. I Andy Pelmard sisa handrasana hanaiky dia vita ny baolina satria efa fantatra fa mety ho tonga ihany koa i Coudert, ilay mpiandry tsatokazo milalao any Frantsa. Ao Brest raha ny marina ary inoana fa efa tafaresaka tamin'i Roro Rakotondrabe izay nandalo herinandro tany. Mbola misy rahateo ny fotoana hitsapana ireo Rakotovazaha ireo ny volana martsa ka mety Afrika Atsimo no hifandona amin'ny Barea raha ny tsilion-tsofina. Toy izao kosa ireo daty hanaovana ny lalao fifanintsanana rehetra. Andro voalohany sy faharoa : 2 hatramin'ny 10 septambra 2024 Andro fahatelo sy fahaefatra : 7 hatramin'ny 15 oktobra 2024 Andro fahadimy sy fahaenina : 11 hatramin'ny 19 novambra 2024.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

13-mai-2024

Resy ny Ladies Makis omaly. Resy 17 noho 46 nanoloana ny Springbok Afrika Atsimo.

Card image cap
13-mai-2024

Nanao izay ho afany ry Clément Couturier sy ny namany ao amin’ny Swift Esperange

Card image cap
13-mai-2024

Tena mikorontana ambany ambony ny Pure Play Football League amin'izao.

Card image cap
13-mai-2024

Nitondra setriny manoloana ny fifandirany amin’ny AS Fanalamanga izay nanao valan-dresaka tamin'ny mpanao

Card image cap
13-mai-2024

Tombanana ho fara-fahatarany amin’ity herinandro ity ny fiantsoana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena

Card image cap