raha tsy hilaza afatsy ny farany teo dia ny Cosafa cup, izay faharesena roa tamin’ny lalao roa no azo tany Afrika Atsimo. Nahavelom-bolo kely kosa ny vokatra tamin’ny fifanintsanana hiakarana amin’ny CHAN 2023, lalao nifanandrinan’ny Barea sy ny ekipam-pirenen’i Seychelles ny sabotsy teo, natao tany Maurice. Lavontsika tamin’ny isa 1-0 ry zareo, ka i Arohasina Andriamirado na Dax izay vao nantsoina hanatevina ny Barea taorian’ny tsy fahombiazana tany Afrika Atsimo no nitondra ny fandresena ho antsika. Baolina matiny teo amin’ny minitra faha-24. Izy ihany koa no nampisaloran’ny mpanazatra Raomuald Rakotondrabe na Rôrô ny “brassard” maha kapitenin’ny ekipam-pirenena teto. Nanatombo tamin’ny teknika sy fahaiza-manao ny Barea, saingy mbola misy ihany ny lesoka maro tokony harenina. Ny 31 jolay izao moa no lalao miverina eo amin’i Madagasikara sy Seychelles izay hatao etsy amin’ny Kianja Mahamasina. Mbola baolina ihany fa lalaovina an-torapasika na “beach soccer” dia nomontsanintsika 5-2 ihany koa i Seychelles ny sabotsy teo ihany.
Toky R
Hamoraina ny sidin’ireo malagasy ao Eoropa sy ny manodidina, raha ny fampitam-baovao,
Vaovao mahafaly no voaray avy any Constantine - Alzeria satria dia efa mandray anjara amin'ny fanazaran-tena i Datsiry izay voadona teo amin'ny kitro keliny nandritry ny lalao nifanaovana tamin'i Soudan.
Nizaka ary niaritra ny mafy ireo mpilalaontsika ireo, hoy ny mpamakafaka fanatanjahantena, Mirado Rakotoharimalala,
Miato mandra-pahatapitry ny lalaon’ny nosy aloha ny tompondaka nasionaly 2023 eo amin’ny taranja ady totohondry, hoy ny filohan’ny federasionin’ity taranja ity.
Vola am-paosin’ny filohan’ny federasionina foana no mivoaka, hoy ny filohan’ny federasionina malagasin’ny taranja ady totohondry, Herimamy Rabarisoa,