airtel

Sport

25-mars-2024

Fifanintsanan’ny « Mondial 2026 »

Mbola mafy ny miandry ny Barea

Sample post image

Anio moa izany ny lalao fanomanan-tena faharoa ho tontosain’ny ekipam-pirenena malagasin’ny

25-mars-2024

baolina kitra na ny Barean’i Madagasikara ho fanomanana ny fifanintsanana ho any amin’ny tompondaka eran-tany izay handraisantsika indray ny ekipam-pirenen’i Rwanda etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina hatrany taorian’ny fandresena moka fohy 1 no ho 0 nanoloana an’i Burundi. Hatreto dia mbola mafy ny miandry ny Barea rehefa mijery ny fivoaran’ireo ekipam-pirenena miisa 2 tena hifandona amintsika amin’ny volana jona dia ny kaomorianina, izay nandresy an’i Ouganda tamin’ny isa mavesatra 4 no ho 0 sy ry zareo malianina izay nandresy 2 no ho 0 an’i Maoritania. Azo lazaina ho nifehy ny lalao nataony avokoa ireto ekipa miisa 2 ireto na dia tanatina lalao fitsapana aza raha toa ka nahitana lesoka kosa ny fitantanan’ny ekipa malagasy ny fizaram-potoana faharoa nanoloana an’i Burundi ny zoma teo. Mbola tsikaritra ho nisy lesoka ihany koa teo amin’ny lafiny fanafihana, izay ny filazan’ireo mpamakafaka namana azy moa dia hoe tsy ampy ny fahasahiana miditra anaty faritra tsy azo ivalozana na koa hoe mihafihafy isika. Mbola misy somary mamotsotra koa anefa teo amin’ny lafiny vodilaharana sy afovoanin’ny kianja. Hita ho lasa mitady hatoky teny loatra i Berajo ary matetika tsy tontosa ny tolotra niainga taty amin’i Clément Couturier taty. Inoana sy antenaina na izany na tsy izany aza fa efa voajerin’ny mpanazatra izany lesoka rehetra izany ary dia hahita endri-dalao tsaratsara kokoa isika amin’ity anio ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap