airtel

Sport

19-déc-2024

Fitondràm-panjakana sy ny taranja ady totohondry

Mbola tsy milamina hatramin’izao ny fifandraisana

Sample post image

Mbola tsy tena hita hoe milamina hatramin’izao ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondràm-panjakàna sy ny taranja ady

19-déc-2024

totohondry, hoy ny filohan’ny federasionin’ity taranja ity, Hery Mamy Rabarisoa. Nanao fifidianana, hoy izy, ny federasionina ny 3 novambra teo. Vita tanteraka izany. Amin’izao fotoana indray dia hoe tsy eken’ny minisitera izany. Fa maninona? Hanao fanakorontanana indray ve izany dia ho avy ny sazy? Efa nandefa taratasy taty amin’ny federasionina nefa ny sehatra iraisampirenena hoe ekena ilay fifidianana vita teo. Nanaiky koa ny komity olaimpika malagasy. Izay no angatahinay amin’ny minisitra hoe aleo mihaona dia miresaka fa tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana. Tsy hisy hahazo tombontsoa raha ho sazian’ny sehatra iraisampirenena indray ny ady totohondry malagasy. Ny firenena no ho voa amin’izany satria tsy hahazo handray anjara amin’ny fifaninanana iraisampirenena. Ny alarobia teo izao dia nisy fankasitrahana nataon’ny fitondràm-panjakàna ho an’ireo taranja nahazo medaly. Tsy nantsoina ny ady totohondry. Tena mampalahelo izany. Ireo atleta no tena mampalahelo satria mba niady izy tamin’iny tompondakan’i Afrika farany natao tany RD Congo teo iny ny volana oktobra. Nahazo medaly alimo. Niofaofa tany ny sainam-pirenena malagasy. Rehefa misy nefa ny fanomezana fankasitrahana na «prime» dia tsy mba nantsoina ny ady totohondry. Be dia be ireo atleta niantso ahy nanontany hoe fa maninona? Adiadin’ny minisitera sy ny komity olaimpika malagasy ve sa inona no antony, hoy hatrany ny fanontaniana napetrak’ity federasionina malagasy ity ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Na tamin’ny fotoana nitondràny ny ekipam-pirenena zokiny (Barea A)

Card image cap
13-juin-2025

Azo lazaina ho efa mipetraka ho reharehan’ny baolina kitra afrikanina na hoe

Card image cap
12-juin-2025

Afaka ny fitaintanana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea A’

Card image cap
12-juin-2025

Nahazo fankasitrahana manokana i RANDRIAMORASATA Ravaka,

Card image cap