airtel

Sport

26-mars-2024

Fitsapana ireo Barea

Azo itarafana ireo tena tokony hajoro

Sample post image

Vokatra no ilaina. Efa zava-dehibe ny nahazoana ireny lalao ara-pirahalahiana

26-mars-2024

miisa 2 ireny raha ny mikasika ny fitsapana ireo Barea na ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra izay hiatrika ny tohin’ny fifanitsanan’ny tompondaka eran-tany indray amin’ny volana jona. Azo heverina ho mafimafy ihany ny lalao miandry antsika ao amin’ny vondrona I ao, indrindra, amin’io fihaonana amin’i Kaomoro sy Mali hoavy io saingy inoana fa azo itarafana ireo tena tokony hajoro hiatrika ny tena fifaninanana ireny lalao miisa 2 natao farany omaly sy tamin’ny zoma ireny. Nanao ahoana ny endri-dalaon’ny malagasy tamin’ilay isika nandresy an’i Burundi 1 noho 0? Iza avy no nilalao? Nanao ahoana ny fanoloana mpilalao? Heverina fa toy izany ihany koa no fanontaniana ho apetraky ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe mikasika iny faharesena 0 noho 2 nanoloana an’i Rwanda omaly iny. Manampy izay moa izany ny hoe ahoana amin’izay izany no handrindrana azy rehefa tonga ireo mpilalao hafa izay tsy navelan’ny kliobany niatrika ity varavarakelin’ny FIFA ity? Isany ireo kalaza toa an-dry Marco Ilaimaharitra, irakiraka mpanafika milalao ao amin’ny Royal Sporting Charleroi, divizionina voalohany ao Belzika. Isany koa ry Loïc Lapoussin, lohalaharana ao amin’ny Royal Saint Gilloise, divizionina voalohany ao Belzika hatrany. Isan’ny tena andrandraina indrindra moa ny fahatongavan’i Françis Coquelin, irakiraka mpiaro milalao ao amin’ny Villareal CF, divizionina voalohany ao Espagne. Inoana sy antenaina koa fa mbola hisy fanamboarana ao amin’ny vodilaharana ao ary tsy hoe azo itarafana ireo tena tokony hajoro, araka ny voalaza teo fotsiny aza, ireny lalao miisa 2 vita farany ireny fa tena azo iandrandrana tsy ampoizina na hoe «surprise» mahafinaritra mihitsy. Tsy miankina amin’ny mpanazatra sy ny mpilalao irery anefa izany fa miankina amin’ny fanohanana amin’ny lafiny rehetra koa, na fanohanan’ny mpijery io na fanohanan’ireo malala-tanana isan-karazany, indrindra moa ny federasionina izay hatramin’izay ka hatramin’izao aloha dia matetika voatsikera mivaivay ho mpanohariana na fandoto iray tandroka nahatonga tsy fahombiazana hatrany. Enga anie mba hiova amin’izay izany!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap