airtel

Sport

01-sept-2021

Sport

Fitsirihan’ny CAF ny Kianja Barea 2 andro mialohan’ny lalao no natao

Sample post image

Tontosa omaly, 2 andro mialohan’ny fihaonan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra sy ny ekipam-pirenen’i Bénin eo an-toerana,

01-sept-2021

ny fitsidihana sy fanamarinana farany nataon'ny kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra teo amin'ny kianja Barea Mahamasina. Nilamina ary nahazoana akony mihabo ny fitsidihana amin'ny ankapobeny ka miandry ny tohiny am-pitoniana isika, hoy ny fampitam-baovao. Nisy tamin'ireo nanao ny fitsidihina no efa nandalo teto Madagasikara ary nampiasa ny kianja teo aloha, nialohan'ny tetikasa nanavaozana azy, ka gaga sy niaiky ny fanovana lehibe nentina teo an-toerana. Naneho fankasitrahana manokana ihany koa izy ireo amin'ny fahavononana sy finiavan'ny fanjakana malagasy ho fanohanana sy fanandratana ny fanatanjahantena, hoy hatrany ny fampitam-baovao avy amin’ireo tompon’andraikitra nanao ny tetikasa momba ity kianja ity. Na izany na tsy izany aza moa dia ny CAF ihany no tompon’ny teny farany mikasika ny tokony na tsy tokony hanomezana alalana ity kianja ity handray ny fihaonan’ny Barea sy ry zareo beninoa. Raha izao tokoa moa izany no sanatrian’izany ka tsy azo izay atao hoe “homologation” izay dia inona no azo atao ao anatin’izao fotoana atomotra izao? Tsy tokony ho andro maromaro mialohan’ny lalao na am-bolana mihitsy aza ve no tokony efa natao izay fitsirihana izay? Irariana na izany aza mba tsy hisy ny sampona ary mba hahita fandresena miezinezina ny ekipam-pirenenantsika amin’io lalao rahampitso io fa dia hafa mihitsy aloha ny eto an-tanàna.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap