airtel

Sport

13-mars-2025

Fiverenan’i John Baggio

Hitondra ainga vao ho an’ny fanafihan’ny Barea

Sample post image

10 taona aty aoriana, voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra

13-mars-2025

indray ilay lohalaharana John Baggio na John Baggio Rakotonomenjanahary. Heverina fa hitondra ainga vao ho an’ny fanafihan’ny Barea ny tenany ao anatin’izao faha 33 taonany izao. Mirefy 1,58 metatra, 52kg ny lehilahy, raha ny fampahafantarana voaray farany momba azy. Isan’ireo lohalaharana manana ny toerany eo anivon’ny tompondakan’i Thailande ho an’ny divizionina voalohany na ny Thai league moa izany. Eo amin’ny laharana faha 11 kosa amin’izao fotoana izao no misy ny ekipany dia ny Sukhothai FC, izany hoe mbola azo inoana ny hijanonany ao anatin’izay fifaninanam-pirenena lehibe indrindra ao an-toerana izay amin’ny taom-pilalaovana manaraka. Etsy ankilany dia tena mbola mifaninana ho isan’ireo mpamono baolina betsaka indrindra ao anaty fifaninanana kosa amin’izao fotoana izao i Baggio sy ny hakingany.
Nangonin’i J. Mirija 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny

Card image cap