airtel

Sport

02-oct-2023

Frédéric Roux

Mitondra ny traikefany ao Djibouti

Sample post image

Mamiratra ao amin’ny klioban’i Al Kholood Club ao Arabia saodita amin’izao fotoana izao ilay mpanazatra portogay,

02-oct-2023

Fabiano José Costa Flora, mpanazatra mpanampy an’ilay malagasy, Eric Rabesandratana, fony ity farany nanazatra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea. Mitondra ny traikefany ary misongadina ao Djibouti koa etsy ankilan’izay, raha ny fampitam-baovao voaray ny faran’ny herinandro teo, ny mpanazatra manokan’ireo mpiandry tsatoby malagasy niaraka tamin’i Eric Rabe tamin’izany fotoana izany hatrany dia ilay tekinisianina frantsay, Frédéric Roux. Ny klioban’i Arta/Solar7 no raisin an-tanana ao an-toerana ary vao tamin’ny herinandro teo ry zareo no nandresy tamin’ny isa mazava ny andrarezina ao Egipta dia ny Zamalek 2 noho 0. Andrarezina miisa 2 no miara-miasa amin’ity frantsay ity any an-toerana miara-mitondra aminy izay traikefa izay dia ny mpilalaon’i Chelsea taloha, Salomon Kalou, sy Alex Song, izay efa tao amin’ny Arsenal sy Barcelone, izay samy klioba goavana any Eoropa avokoa. Tsy kisendrasendra, hoy ireo mpanao gazety ao Djibouti no nandresentsika an’i Maorisy tamin’ny isa 1 noho 3 tamin’ny volana jona tao Côte d'Or.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

06-déc-2023

Fahatelo teo amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika ny Ankoay lahy sy vavy.

Card image cap
06-déc-2023

Ny avo lenta avo lenta ihany. Vao nanomboka tokoa mantsy ny Grand Slam Tokyo

Card image cap