airtel

Sport

05-janv-2024

Grand Tournoi Analamanga

Famaranana alohan'ny fotoana ny Disciples # Ajesaia

Sample post image

Hotontosaina ny faran'ny herinandro io etsy aminlny Kianja Elgeco Plus ny ankatoky

05-janv-2024

ny famaranana ilay Grand Tournoi Analamanga. Hihaona voalohany ny sabotsy ny Elgeco sy ny US Pro. Lalao vandivandy namboarina mba ahatonga ny Elgeco Plus hatrany amin'ny famaranana. Mihevitra mantsy i Toto Rakotoarimanana fa gana malemy ny US Pro nefa mety tsy izay no mety hiseho satria romotra ny US Pro izay ekipa tokana tsy manao Pro League. Na izany aza, raha ny zavatra nasehon'ny Elgeco tamin'ny fihaonana nanoloana ny CFFA dia mbola misy lesoka maro. Mbola antenaina hiady izany ny baolina indrindra raha mandeha mahitsy ny mpitsara izay mety sahirana rehefa tsy voantso tany amin'ny CAN any Kameronina. Fa ny tena baolina miendrika famaranana kely dia ny fifandonan'ny Disciples sy ny Ajesaia ny alahady manomboka amin'ny 2 ora. Ny Ajesaia moa dia miantehitra amin'i Feno ilay mpanafika hikoizana amin'ny famonoana baolina saingy tsy tazana rehefa ao amin'ny Barea. Na izany aza dia efa maromaro ireo tompon-toerana efa lasa any Seychelles toa an'i Clark. Etsy andaniny anefa dia maneho fahavonona ny Disciples ary nanova mpilalao satria i Ando mpiandry tsatokazo izao dia niverina any amin'ny Ajesaia. I Ando Racap koa dia niala sasatra fa saingy voasolon'i Andy ilay Barea ny toerana. Izy sy Tendry izany no voantso Barea fa na izany aza mbola betsaka ny tsara ao toa an'i Mando sy Kante. Misy koa ireo vaovao mbola mifono sase raha tsy hiteny afatsy Nantenaina izay efa antsoin'ny namany hoe Messi no ny fomba filalaony mitovitovy amin'ny an'ilay Argentin. Tsara raha fehezina ny Disciples amin'ity taona vaovao ity. Ny tanjony rahateo dia mazava fa ny handrombaka ireo fifaninana rehetra misy. Efa natombony izany tamin'ny alalan'ny Disciples Betafo nandritry ny Katita Milalao ary ny handrombahan'ny vehivavy ny tompondaka eto Madagasikara. Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

13-mai-2024

Resy ny Ladies Makis omaly. Resy 17 noho 46 nanoloana ny Springbok Afrika Atsimo.

Card image cap
13-mai-2024

Nanao izay ho afany ry Clément Couturier sy ny namany ao amin’ny Swift Esperange

Card image cap
13-mai-2024

Tena mikorontana ambany ambony ny Pure Play Football League amin'izao.

Card image cap
13-mai-2024

Nitondra setriny manoloana ny fifandirany amin’ny AS Fanalamanga izay nanao valan-dresaka tamin'ny mpanao

Card image cap
13-mai-2024

Tombanana ho fara-fahatarany amin’ity herinandro ity ny fiantsoana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena

Card image cap