Miady irery anefa tsy kivy raha ny resaka nifanaovanay sy Tillo Andriamiharinosy ilay mpanazatra ny MySah, tompon-dakan'i Madagasikara vehivavy farany teo. Noho ny fandaminana anefa dia any amin'ny ekipam-pirenena lehilahy izy izao miaraka amin'i Mickael ilay mpanazatra avy atsy La Réunion.
Tia Tanindrazana: Ho avy ny Lalaon'ny Nosy. Aiza ho aiza ny fanomanana ny ekipam-pirenena vehivavy sy ireo ankizy notaizanao tao amin'ny MySah Ambatomirahavavy ?
Tillo Andriamiharinosy : "Mety gaga angamba ianao fa tsy any amin'ny ekipa vehivavy intsony ny tenanay fa efa lasa any amin'ny lehilahy noho ny fandaminana ary mety noho ny fahalalako ny maro amin'ireo lehilahy."
Tia Tanindrazana: " Sao dia mba diso izany raha lasa mpanazatra mpanampy indray ianao ?
T.A. : " Tsy diso satria saika fantatro avoaka ireo mpilalao izay ny any Toliara no betsaka ahitana an'i Falisoa , Jaona Kely, Jaona Be, Nasolo ary Joel. Mpilalao afaka hiaro tsara ny voninahitr'i Madagasikara fa na izany aza mila miady aloha vao mandresy.Miankina aimin'ny fanomanantena ihany fa hatreto aloha mbola mafy ry zareo La Réunion sady manana ny ampy hanaovana fivondronana."
Tia Tanindrazana: Ka ny antsika anie efa mba miomana izao .
T.A : "Marina izany saingy ny antsika izao dia ny ezaky ny federasiona sy ireo mpilalao no hianteherana. Tena tsy mitovy."
Tia Tanindrazana : Ary ny momba ireo vehivavy indray ahoana ?
T.A. ;" Tena tanora no ao ankoatran'i Judith izay efa fantatry ny maro. misy mpilalao avy ao amin'ny MySah ao mazava ho azy toa an'i Nicole, Flavia, Cali, Nata, Ando ary Chantal. Mafy sy matanjaka ireo fa miankina amin'ny tohana ihany."
Nangonin'i Clément RABARY
Tonga eo amin'ny tsotsorimamba hisaraha ireo ekipa hanao ny manasa-dalana eo amin'ny Orange Pro League. Ho hafa kely ity indray mitoraka ity satria ireo niraivondrona tany Avaratra no hifanasa vangy.
Mandray anjara amin'ny Amboara Billie Jean King any Lesotho ny mpanao tennis vehivavy.. Ao amin'ny Vondrona faha IV
Lasa tena resabe ilay lisitra navoakan'i Roro. Midika izany fa tena betsaka mpanaraka sy mpankafia hatreto ny Barea na dia efa tapi-dalan-kaleha aza taorianan'iny fandresena indroa nanoloana ny Centrafrique iny .
Taorian’ny faharesena an-jaridaina ny alin’ny sabotsy teo tamin’ny isa mazava 1 noho 3 dia rava hatreo ny fanantenan-dry Rayan Raveloson sy ny namany ao amin’ny A.J.