ao Belzika eo amin’ny taranja baolina kitra, hatramin’ny niverenan’i Loïc Lapoussin, ilay lohalaharana malagasy, naverina hifaninana ao amin’ny Jupiler Pro League rehefa nosazian’ny kliobany nandritry ny andro maro. Manakoako ao an-toerana ankehitriny ny «Danse Lapoussin» na fomba fandihy Lapoussin taorian’izay fahombiazana nifanesy izay. Nantsoin’ny mpanazatra sy nomeny fitokisana indray ity lohalaharana malagasy ity ka nampiova ny toe-draharaha izay efa saika ratsy, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanohana ny klioba. Hain’ny mpanazatra tsara ny mametraka an’i Lapoussin amin’ny toerany sy mampiasa azy na nanoloana an’i Eupen na tamin’ny fihaonana tamin’ny KV Mechelen na nanoloana an’i AS Roma. Toy izany koa ny nanoloana an’i Genk, OHL, Twente ary Antwerp.
J. Mirija
Tontosa omaly ny antsapaka mikasika ny fizaram-bondrona amin’ny Fiadiana ny CHAN 2024.