airtel

Sport

07-sept-2021

Sport

Ho hamalifaliana ny Malagasy Handeha amin’ny TVM ny lalaon’ny Barea rehetra

Sample post image

Handeha mivantana ao amin'ny Televiziona Malagasy ireo lalao rehetra hatrehin'ny Barean’I Madagasikara ,izay ao anatin'ny fifanintsanana Mondial 2022 satria efa novidin'ny

07-sept-2021

 fitondram-panjakana ny zo hahafahantsika Malagasy hijery ireo lalao rehetra ireo, hoy ny fampitam-baovao ofisialin’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina omaly 06 septambra. Taorian’ny tamin’ny 2 septambra nanoloana an’I Bénin izany, dia ho hitantsika mivantana ao amin’ny TVM ihany koa ny lalao anio amin’ny 1:00 GMT izay amin’ny 4ora tolandro eto amintsika, izay hifanandrinan’ny Ekipam-pirenena Malagasy amin’ny Ekipam-pirenena Tanzanianina. Mbola misy lalao 4 aorian’ny anio, dia ny fifandonana amin’I RD Congo lalao mandroso sy miverina ny herinandro voalohany sy faharoan’ny volana oktobra eo ho eo. Hifandona amin’I Bénin ny 8-10 novambra, eo ary Madagasikara sy Tanzanie ny 14-16 novambra eo ho eo. Nambara moa omaly fa efa novidian’ny Fitondram-panjakana ny zo ahafahana mandefa ireo lalao hositrahan’ny Malagasy. Zava-dehibe izay isaorana ny fitondram-panjakana izany. Azo adika ho famalifaliana ny Malagasy ihany koa ao anatin’izao fahasahiranana sy fahantrana lalina izao. Ny tsara homarihina kosa, dia tsy hoe: izao isika vao afaka hisitraka ny fampitana mivantana ny lalao iraisam-pirenena tahaka izao, fa zavatra efa nandeha ho azy izany tany amin’ny 20 taona lasa. Tsy misy adihevitra akory hoe: handeha amin’ny TVM sa tsia. Na ireo lalao iraisam-pirenena toy ny mondial sy ny ligue des champions, lalao olaimpika,… aza dia nandeha manontolo fahiny, saingy amin’izao zara raha misy lalao azo na tsy mandeha intsony. Midika io, fa nihemotra fa tsy hoe niroso isika satria ireo manana ireny “bouquet canal satelite” ireny ihany sisa amin’ny ankapobeny no afaka misitraka ireo lalao amin’ny fifaninanana malaza amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Isan’ny fampanantenana tamin’ny adihevitry ny fifidianana filoha moa ny hoe: handefasana amin’ny TVM ny lalao iraisam-pirenena maro, saingy mbola tsy tena tanteraka io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap