niara-nanao fanazarantena tamin’ireo namany nanomboka ny 6 jona teo ny mpanazatra ny ekipam-pirenena, Romuald Rakotondrabe na Coach Rôrô. Mahitsy aho, hoy izy, omaly, miteny. Eto an-toerana i Ibrahim Amada ary tena miara-manao fanazarantena aminay isan’andro. Tsy manana zavatra ho porofoina amin’ny ekipam-pirenena intsony izy fa efa hitantsika rehetra ny zava-bitany. Ho jerena, noho izany, ny lentany eny an-kianja na «performance» sy ny fetrany ihany koa hoe tokony ho tafiditra anaty vondrona ve sa tsia. Aleoko mahita an’i Ibrahim Amada hilalao raha hitako isan’andro eto dien’izao izy eny an-kianja toy izay hitsapatsapa mpilalao vao ho tonga manomboka amin’ny 12 jona, izay mety haha voafitaka ahy ny mampijoro azy. Raha hita fa ao anatin’ny tanjany sy fahafahany manome izay tadiavina aminy i Ibrahim Amada dia ho ampidirina anatin’ny vondrona, raha tsy izay moa no miseho, dia tsy maintsy ho lazaina ihany izy hoe aoka aloha. Manomboka amin’io 12 jona io no heverina fa ho tonga daholo ireo mpilalao nantsoina rehetra ary eo koa izany isika no manomboka mamaritra ny tena lisitra farany. Mety mbola ho tafiditra anaty lisitra i Ibrahim Amada. Mety tsy ho tafiditra koa anefa. Arakarak’izay fivoarany eo, hoy hatrany i coach Rôrô.
J. Mirija
Iaro Razanakoto, antsoina hoe Jormmanbou, dia anisan’ny olo-malaza amin’ny hazakazaka
Mety farany vao misy ventiny ity andiany faha-28 n’ny Jeux Corporatifs
Resin’ny FDM Sofia tamin’ny isa 3 noho 1 ny FC Mananjary V7V‚ tamin’ny lalao