airtel

Sport

10-juin-2021

Sport

Ibrahim Amada “Nisy kalitao ny vita tao anatin’ny 2 andro”

Sample post image

Tao anatin’izay 2 andro izay dia nahitana vitrika na “intensite”, hoy ny kapiteny lefitry ny Barea, Ibrahim Amada,

10-juin-2021

 


 nandritry ny tafa tamin’ny mpanao gazety omaly. Nisy bandy kely maro vao tonga avy ao amin’ny Pro league koa moa te ampiseho dia nandeha ho azy ny fianarana, hoy izy. Manam-potoana koa isika hanomanana mandram-pahatonga ny fihaonana manaraka. Hitako hoe nisy kalitao ny vita tao anaty 2 andro. Misy manavao ihany fa maharaka daholo matoa ilay izy mandeha tsara. Amiko, manana kalitao tekinika daholo ireo bandy kely milalao eto ireo matoa nantsoina amin’ny ekipam-pirenena. Tsy misy maha samihafa azy aminay “expat” fa mahafaly mijery an-drizalahy mampiseho izay kalitao izay. Na ianao mijery azy aza mba taitra ihany hoe misy bandikely ohatran’izao ve eto an-tanana? Anaty sehatra matihanina tsy maintsy misy fitsipika. Anjaran’ny tsirairay no miaina miaraka amin’izay. Anaty 2 andro tsy afaka hampitaha ny mpanazatra teo aloha sy vaovao satria samy manana ny filozofiana lalao tiany ireo. Ny iray mety finaritra amin’ny resaka fitazomam-baolina maharitra. Ny iray mety tia kokoa mifantoka amina valim-panafihana. Samihafa ny kotrana atao anatin’izay. Mety misy fomba mety amintsika dia misy tsy mety ka tsy afaka iteny aho, noho izany, hoe ratsy ve sa tsara ny votoatin’ilay fanazarantena? Matoa nahazo vokatra isika hatramin’izay dia nisy fomba fiasa tsara tao. Mbola vao mananika ny andro faha 3 sy 4 amin’ny fanazarantena isika izao ka tsy afaka hiteny hoe tsara na ratsy ny vokatra. Mandeha sy mahafinaritra izy hatreto ary mamaly tsara daholo ny mpilalao, hoy hatrany I Ibra.

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap