airtel

Sport

20-nov-2023

Jiu-Jitsu-Open Africa

Nandraoka medaly 28 ny Malagasy

Sample post image

Nandraoka medaly miisa 28 ny Malagasy ny sabotsy teo nandritra ny fifaninana kaontinaly aty Afrika na

20-nov-2023

Open Africa » ho an’ny taranja Jiu-Jitsu, natao tatsy Maurice ny sabotsy lasa teo. Ny 13 tamin’ireo no volamena, 7 volafotsy, ary 8 kosa alimo. Nahazo medaly iray fatafahakeliny avokoa ireo 18 nandrafitra ny ekipam-pirenena, ka ho an’ny vehivavy dia isan’ny nisongadina i Tatamo Randriamanantena ho an’ny latsaky ny 68kg izay nibata volamena 2 teo amin’ny « Nogi » sy « Gi » latsaky ny 66kg. Nisonagdina ihany koa i Arindra Ranaivoharivony, tompondaka lefitra teo amin’ny « Gi » sokajy latsaky ny 61 kg sy Nogi ho an’ny latsaky ny 66kg. Ho an’ny lehilahy kosa dia voahosotra tompondaka i Zo Aina Randriamanga ho an’ny « Nogi » lataky ny 86kg ary tompondaka lefitra kosa teo amin’ny « Gi » sokajin-danja -88kg. Andy Rasamy-Anoharana kosa nandrombaka ny medaly volamena ho an’ny « Gi » -88kg, ary medaly alimo kosa ho an’ny « Nogi » latsaky ny 86kg.
Nangonin’i Toky R


 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap