airtel

Sport

10-févr-2025

John Baggio

Mbola tsy nandiso fanantenana ny kitra ao Thaïlande

Sample post image

Mbola tsy nandiso fanantenana ny kitra ao Thaïlande, raha ilay lohalaharana malagasy, Jhon Baggio,

10-févr-2025

rehefa jerena ny lalana nodiaviny hatramin’izay ka hatramin’izao tao amin’ny fifaninanam-pirenena thailandey ho an’ny divizionina voalohany. Noporofoiny sahady indray izany ho an’ity taom-pilalaovana 2024 – 2025 ity satria tamin’ireo lalao miisa 19 niaraka tamin’ny kliobany Sukhothai FC dia nahatafiditra baolina miisa 10 ny lehilahy. Nahavita tolotra tsy azo ivalozana miisa 7 ihany koa saingy in-5 nahazo karatra mavo kosa. Azo lazaina ho mbola tena andrin’ny ekipany ny lehilahy ao anatin’izao faha 33 taonany izao. Mirefy 1,58 metatra moa izy ary tena mbola mampahatsiahy an’i Rainilaikely na i Voavy Paulin ny hakingany sy angovony eny ambony kianja. Isan’ny efa ela no nampametra-panontaniana ny antony tsy niantsoana azy hanatevina ny ekipam-pirenen’ny baolina kitra malagasy na Barea saingy asa amin’ity fiarahana amin’ny mpanazatra vaovao Corentin Martins ity na hanao ahoana indray!
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap