Mbola noporofoiny izany ny sabotsy teo tany Alger nandritry ny fiadiana ny amboaran'i Afrika teo amin'ny latsaky ny 70 kg. Resiny teo amin'ny famaranana ilay Alzerianina Benchallal Dyhia tamin'ny fomba tena avo lenta. Nazerany tamin'ny Harai Makikpmi ary dia notsindriany tsy afaka nihetsika raha mbola nisy iray minitra tsy ahatapitra ny ady Mafy izy e. Ary raha toa ireo medaly volamena telo azony tany Tonizia sy Alzeria ireo no kajiana dia inoana marimarina fa hanokatra varavarana ho an'i Laura any amin'ireo foibe fiofananana avo lenta toa ny INSEP ao Paris. Asa aloha fa miankina amin'ny fahazain'ny filohan'ny federasiona Saïd Bruno Eric mandresy lahatra satria rariny raha manohana azy koa i Siteny Randrianasoloniaiko izay filohan'ny federasion afrikanina eo amin'ny judo. Raha tsy asiana loko politika mantsy dia tokony hanohana koa ny ministeran'ny Tanora sy Fanatanjahatena.
Clément RABARY
Taorian'ny nanehoany hevitra sy nilazany ny tsy mety raha ny mikasika ny fifidianana izay ho filohan'ny federasiona