Notoloran'ny filohan'ny Konfederasiona Afrikanina ny Judo, Siteny Randrianasoloniako tapakila ho any Qatar izy ireo miaraka amin'iny filohan'ny Federasiona Malagasy. Said Bruno Eric sy ny mpanazatra Mamy Randriamasinoro. Marihina fa i Laura Rasoanavo Razafy dia hiditra an-tsehatra eo ny latsaky ny 70 kg ny faha 11 mey izao. Ilay avy any Bosnia, Akeksandra Samardzic no hihaona aminy amin'ity fidirana voalohany ity. I Haingo Ramiandrisoa kosa izay misehatra ao amin'ny sokajin-danja 78 kg hihaona, ny 13 may mitsidika io, amin'ilay Koreana Park Saetbyeol. Hatreto aloha dia voalazan'izy mirahavavy ho nizotra tsara ny fanomanana na dia nisy voadona kely aza ny lohalik'i Laura. Tsy nampiontsona aza izany ary hita soritra ny fahavononony. Tsapany rahateo ny fanohanan'ny rehetra hatrany amin'ny filoha Rajoelina aza, ka dia mivonona hiady mafy izy.
Clément RABARY
Raikitra ! Na tsy misy federasiona intsony aza na hoe misy fa sahirana amin'ny fifidianana izay ho mpikambana
Nidina ifotony ary nanampy ireo solontenan’ny klioba amin’ny taranja rugby izay natao tao amin’ny Kianja Malacam
Notanterahina ny alahady 24 septambra teo ny hazakazaka ho an'ny fandriampahalemana na
Ho ambohipihaonan'ireo mpilalao kanetibe ny eny amin'ny kianjanlny PAC etsy Ampitatafika ny 4 sy 5 oktobra ho avy izao.
Rehefa mitavozavoza manao zavatra dia lasan'ny olona ilay noheverina hitondra ny Barea A.