airtel

Sport

30-mars-2021

Sport

Kianja Barikadimy - Toamasina “Ny Club des supporteurs ihany no hijery lalaon’ny Barea”

Sample post image

Manoloana ny fiparitahan’ny valan’aretina covid-19 sy ho fitsinjovana ny fahasalaman’ny

30-mars-2021

 

 

 rehetra dia hahena faran’izay vitsy ny mpijery ny lalao izay hihaonan’ny Barea amin’i Niger any Toamasina anio. Tsy hisy ny tapakila hamidy mandritra io lalao io ary ny "Club des supporteurs" ihany no afaka hijery sy hanohana ny Barea ao amin’ny Kianja Barikadimy satria mila fanohanana ny ekipantsika noho ny maha zava-dehibe ity lalao ity, hoy ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Tinoka Roberto. Tsy maintsy hatao anatin’ny fanajana tanteraka ny fepetra izany rehetra izany, ary hisy ny fanaraha-maso hentitra amin’ny fampiharana izany, mba tsy hiparitahan’ny valan’aretina. Raha izay no ao anatin’ny kianja dia nanambara ihany koa io Minisitra io, fa tsy hisy intsony ny fijerena mivantana ny lalao amin’ny alàlan’ny « écran géant » na eny ankalamanjana izany na anaty efitrano na ilay antsoina hoe: “fan zone”. Izany no natao dia mba tsy hisian’ny olona mitangorona ka mety hampitombo isa ireo olona marary noho ity valan’aretina covid-19 ity. Nanentana ny rehetra izy mba hanaraka antsakany sy andavany ny toromarika rehetra izay hapetraka satria izay ihany no antoky ny fahombiazana amin’ny zavatra izay ho tanterahina. Nentiny namarana ny teneniny dia nambarany fa miankina amin'ny Barea ny fanantenan'ny Malagasy rehetra sy ireo mpitia Baolina kitra amin'izao "Qualification CAN 2022" izao. Azo hatokisana sy eritreretina noho izany ny fandresentsika satria rehefa avy nifampiresaka tamin'ireo mpilalao, dia vonona hanome ny tsara indrindra izy ireo sy hanao ny fara heriny handrobahana ny fandresena, hoy I Tinoka Roberto.

Toky R

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap