airtel

Sport

14-mars-2022

Sport

Kianja manara-penitra Vola nariam-potsiny ny ao Moramanga ?

Sample post image

Taorian’ny naha dibo-drano azy tamin’ny andron’ny rivodoza, mitohy ny maha lasa toeram-panariam-pako ny kianja manara-penitra ao Moramanga.

14-mars-2022

 Lasa firaofan’ny vilona ihany koa, raha ny fampitana an-tsary avy any an-toerana. Volam-panjakana tsy toko tsy forohana no natontona sy nolaniana tamin’ireny, saingy tahaka ny vola natsipy teny ambaravarankely, raha dinihina amin’ny zava-misy. Vao tsy ela akory izay no nahatrarana raharaha halatra fingotra hnamboarana kianja manara-penitra tany amin’iny faritra Alaotra Mangoro iny ka heverina fa misy ifandraisany amin’izany ny mety tsy fahavitan’izy ireny hatramin’ny farany. Toa miharihary sy voaporofo ihany koa fa zavatra tsy laharam-pahamehana, saingy iniana atao any fotsiny, ka tsy atao mahagaga raha izao no miseho. Izao ve no atao hoe: fahaiza-mitantana sy fahaizana mamaritra ny laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Efa any Serbia ny Ankoay 3x3 manomana ny fiadiana toerana ho any amin'ny Lalao Olimpika any Paris

Card image cap
03-mai-2024

Hatramin’ny 1 may teo no efa heno fa voasazy tsy afaka milalao baolina kitra mandritry ny 2 taona i Rajomazandry Andrinirina na i Joma,

Card image cap
02-mai-2024

Mafy, tena mafy ity Miotisoa Rasendra ity raha samy junior ihany.

Card image cap