airtel

Sport

10-oct-2023

Kitra:ALASORA ≠ AMBOHIMANAMBOLA

Lasan’Alasora ny amboara sy ny vola 2 tapitrisa Ar

Sample post image

Hafaliana ny an’ireo mpitia fanatanjahantena tao anatin’ny kaominina ambanivohitr’Alasora, distrikan’Avaradrano afak’omaly Alahady alina.

10-oct-2023

Saika tsy nirava ny korana raha tsy tamin’ny 11 ora alina vokatry ny fibatan’ireo ekipa ny amboara goavambe taorian’ny lalao baolina kitra nifanandrinany tamin’ireo ekipan’Ambohimanambola tamin’ny salan’isa 4 no iray. Raha tsiahivina kely dia anisan’ny antony nahatonga ity lalao ity izay nampitondraina ny anarana hoe ; “match de defi” ilay tournoi an’Avaradrano nandraisan’ireo kaominina miisa 15 amin’ny 16 isa anjara. Nivoaka ho mpandresy hatrany ny ekipan’Alasora nandritra izany raha toraka izay ihany koa ny ekipan’Ambohimanambola. Ho an’ity farany sy ny ekipan’i Sabotsy Namehana izay nifanandrina taminy dia nifarana tamin’ny isa iray no iray ny lalao. Nihaalina anefa ny andro tamin’ny herin’ny Alahady teo izay nanaovana ny demi-final raha araka ny fanazavan’ny lefitra faharoan’ny Ben’ny tananan’Alasora Rehotrozo Tojo Andrew ka tapa-kevitra ny Ben’ny tanana roa tonta fa hatao amin’ny andro mazava ny tohiny ka ny ekipan’Ambohimanambola sy Alasora indray no hampifanandrinana mandritra izany. Vita soa aman-tsara ny lalao vokatr’izany saingy efa eo am-panomanana ny lalao baolina kitra tournoi ho an’ny Ben’ny tanana indray ny kaominina ankehitriny.
Pati Legende : Nahazo taratasim-bola tahaka izao ireo ekipa mpilalao baolina kitra avy ao amin’ny kaominin’Alasora ! 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Anisan’ireo ekipam-pirenena mandray anjara amin’ilay fifaninanana

Card image cap
27-mai-2025

Tompondakan’i Belzika aho, hoy ny lohalaharana malagasy, Loïc lapoussin,

Card image cap