airtel

Sport

14-juin-2021

Sport

Lalao andran’ny Barea Nisongadina ireo mpilalao avy eto an-toerana

Sample post image

Satria moa tsy nahazo lalao fanomanana hifanandrinana amina ekipam-pirenena hafa ny Barean’i Madagasikara ao anatin’izao fiomanana amin’ny

14-juin-2021

 

 fifanintsanan’ny tompondaka eran-tany izao dia ireo 29 mirahalahy voahantso sy afaka namaly ny antson’ny mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasin’ny baolina kitra, Eric Rabesandratana, ihany no nozaraina 2 hanao izay lalao fitsapana izay nandritry ny 30 minitra mizara 3 tamin’ity faran’ny herinandro ity, tetsy amin’ny Kianja Odeam Rakoto, etsy Ambohidratrimo. Efa azo nitarafana zavatra maro ny vita rehetra miaraka amin’izay lalao izay, raha ny fanazavan’ny mpanazatra. Tsikaritra ho nivoatra ireo mpilalao avy eto an-toerana ary saika ireo mpifaninana anaty Pro league mihitsy aza moa no namono baolina raha mijery ny lalao ny sabotsy teo fotsiny, izay nandresen’ny Barea A ny Barea B tamin’ny isa 4 noho 2. Nanokatra ny isa teo amin’ny faha 15 minitra, ohatra, ilay lohalaharan’ny Jet Kintana, ho an’ny Barea A. Ny Barea B moa no nampidi-baolina voalohany teo amin’ny faha 9 minitra tamin’ny alalan’ilay kintan’ny Union sportive sainte-marienne, Fabrice Angio Rakotondraibe. Hakim Abdallah, izay milalao atsy Belzika, aza tsy nahafaty penalty nanoloana ny zandrikelin’ny PSG, Mathyas Randriamamy, raha tsy nanaraka izany tamin’ny loha teo amin’ny minitra faha 50 ho an’ny Barea A. Nanampy izay isa izay taty amin’ny minitra faha 64 I Lalaina ary namarana ny fetin’ny ekipa A teo amin’ny minitra faha 68 moa I Njiva Rakotoharimalala, milalao any Thailand. Mbola mpilalaon’I Jet Kintana dia I Doddy Rakotoharisoa kosa avy eo no nampihena ny elanelan’isa ho 4 noho 2 teo amin’ny minitra faha 75.

 J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap