Hahafahana misoroka zavatra maro loha ny fisian’izany raha araka ny fanazavan-dRaboanary Tantely tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny sekoly ambony Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar eny Antsobolo tamin’ny mpanao gazety omaly. Tena zava-doza mananontanona ireo tanora eto amintsika mantsy ny fiaritahan’ny zava-mahadomelina raha vantany vao midonanam-poana sy tsy manao na inona na inona izy ireny. Ho azy ireo dia tratrany ny tanjony tamin’ilay fifaninanana basket baolina “ Mibala tournament” izay nanomboka omaly. Tanora mpianatra avy amin’ny oniversite maro eto an-drenivohitra no nandray anjara tamin’izany ahitana ekipa 30 isa. Haharitra roa herinandro eo ho eo ny fifaninanana raha tsiahivina.
Pati
Legende : Nandritra ny fanokafana omaly tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina
Taorian'ny nanehoany hevitra sy nilazany ny tsy mety raha ny mikasika ny fifidianana izay ho filohan'ny federasiona