Ireto taranja toa ireto mantsy no tena mitondra medaly betsaka indrindra ary tena azo lazaina fa herin'i Madagasikara manontolo. Tsy Azo iadian-kevitra ny maha lohany an'i Rosinah Eo amin'ny sokajy latsaky ny 48 kg. Toraka izany koa i Andriatsitohaina mirahalahy izay tena hitokisan'ny filohan'ny federasiona, Harinelina Alex Andriamanarivo. Ny taranja atletisma indray dia inoana fa hanao zavatra na dia vao miana-mandeha aza ny Filoha vaovao Dominique Ramaherison satria mandova ny tsara vitan' ny filoha teo aloha Norolalao Andriamahazo. Afaka mandry ivohon'ny vato izany aloha raha ny atletisma sy fibatana fonjamby. Tsy mba toy izany kosa ireto taranja roa nianga omaly dia ny badminton sy ny tenisy ambony latabatra. Ho sarotra amin'ireto izany hiakatra lapihazo izany raha tsy hoe angamba mbola amin'ny tanjany tsara ilay mpila ravinahitra Jonathan Nativel. Mety efa velona koa angamba ny zanak'i Dada, Setra, ny zanaky ny Tale Teknika Nasionaly mantsy e. Efa nomena any daholo ny tokony ho azony ka mety hoe izy no handimby ireo andrarezina taloha toa an' i Sambilo, Landy na Sotema koa aza. Enga anie!
Clément RABARY
Hatairana ny tolakandron’ny omaly ny an’ireo mpankafy taranja Basket Ball.
Maneho fahavononana hanatsarana ny Barea ny filoha vaovao ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa.
Anatin’ny fiofanana izay tontosainy ao Frantsa moa amin’izao fotoana izao