airtel

Sport

25-août-2023

Sport

Lalaon'ny Nosy Laura Rasoanaivo no mitondra ny sainam-pirenena Malagasy

Sample post image

Hotontosaina anio tolakandro etsy Mahamasina ny lanonam-panokafana ny Lalaon'ny Nosy 2023.

25-août-2023

Efa nisy famerenana omaly teny an-toerana ary izany no nahafantarana fa ilay mpiangaly judo tompondakan'i Afrika teo amin'ny sokajy junior no hitondrana ny sainam-pirenena malagasy. Safidy izay tsy hiadin-kevitra satria dia tena namiratra teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena raha i Laura Rasoanaivo. Ny hita omaly anefa dia sempotra ihany ry zareo mpikarakara ary mifamahofaho be ihany indrindra eo amin'ny sakafo satria dia misy sahady ireo tratry ny aretina. Misy indray dia tsy nihinana mihintsy toy ireo mpitsara baolina kitra avy atsy Komoro. Tena tsy milamina mantsy ihany koa na ny mpanao gazety vahiny aza izay misalotra ny akanjo misy soratra TVM ankoatra ireo karatra tsy misy tady nozaraina. Ny loza aza omaly dia nisy nifamadika ny sarin'ny atleta. Iny anefa no tsy maintsy hiambozonana rehefa hiakatra sehatra. Ny Ministeran'ny Fanantanjahantena ihany moa no sady COJI ary ny Tale Jeneralin'ny Fanantanjahantena ihany koa no Tale mpanantanteraka ny Lalaon'ny Nosy. Marina raha tsy ohatry ny lany olona manampahaizana ity Madagasikara. Asa aloha izay avoakan'ny anio fa hatreto aloha dia mamoaka sary ratsy ity Lalaon'ny Nosy.Ary asa na natao fanahiniana fa tsy mba misy fiara mitatitra ny mpanao gazety eto an-toerana.Ny sary alefan'ny TVM anefa dia tena tsy matihanina mihitsy.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap