airtel

Sport

04-mai-2023

Sport

Lalaon'ny Nosy Manantena tsy misy no sarotra fa ny mamoy mora foana

Sample post image

Efa-bolana latsaka sisa dia ho tonga amin'ny fotoana nifanomezana hanatanterahana ny Lalaon'ny Nosy ny Malagasy. Hatreto anefa dia tsy

04-mai-2023

mbola hita soritra mihitsy ny fahavononona eo amin'iny fanjakana. Mbola mivorivory fotsiny hatreto no ataon'ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Ka raha ny fampandraisana anjara an'i Madagasikara tamin'ny Lalaon'ny CJSOI tatsy Maorisy aza moa tsy vitany dia inona no antenaina fa teny ambony vatolampy ny vahiny no nanao ny nataony. Asa aloha izay hazakazaka farany ato anatin'ny telo volana farany fa raha izay dobo filomanosana 50m any Mahajanga aza mbola any an-kibon'ny omby. Tsy azo atangorona eto an-drenivohitra daholo koa ireo taranja 23 hifaninanana satria ny Voile any Sainte Marie ary ny Surf any Fort Dauphin. Raha ny fandehan'ny fanomanana eo anivon'ny atleta anefa dia mbola tsy misy tokontaniny satria miato-tena ny federasiona ary ireo lasa any Chine indray dia mbola vao ireo erotrerony no safidy napetraka. Tsy ho zakan'ny maro anefa izany hoe tsy ho voalohany i Madagasikara nefa ny lalao eto no hatao .Ry zareo atsy La Réunion sy Maorisy ary Seychelles anefa efa manoman-tena any Eoropa sy any Kenya. Tsy misy fahagagana izany fanatanjahantena izany fa samy mijinja izay nafafiny. Izay aloha ny anaty kianja fa ety ivelany koa dia tena mbola baraingo lehibe. Aiza no hisy ny tanànan'ny Lalao? Ahoana ihany ny fitsinjarana ny kianja raha ny eto Iarivo ? Fanontaniana saro-baliana ireo fa ny soso-kevitra tsara indrindra dia misafidy ilay Complexe CNaPS eny Vontovorona izay isan'ny nanenjehina ny Tale Jeneralin'ny CNaPS teo aloha ,Arizaka Rabekoto Raoul. Mila fanamboarana na dia amin'ny ampahany aza ilay tranobe mijoalajoala eny dia afaka hipetrahan'ny delegasiona rehetra .Toa izany koa ny dobo filomanosana sady mitafo mila atao manarapenitra sady tokony hiampy dobo kely iray fanaovana fanazaratena. Ampy ireo toerana andraisana ny tennis ,ampy toy izany koa ny kianja mitafo roa azo handrasaina ny volleyball, handball ary tennis ambony latabatra .Efa misy toerana ho an'ny Tir à l'arc. Azo atao koa no maka toerana hanaovana ny tolona sy ny fibatana fonjamby. Betsaka no azo hatao eny Vontovorona sady tsy andaniana volabe ny manarina azy ka anjaran'ny Filoha Rajoelina no mandresy lahatra ireo manodidina azy fa io aloha no misy .
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap