airtel

Sport

06-oct-2025

Lalaon’ny Barea ny 8 sy 12 oktobra izao

Andrasana raha hisy Fan zone na tsia!

Sample post image

Mamay dia mamay amin’izao fotoana izao ny

06-oct-2025

toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara. Iaraha-mahalala sy mahita izany. Miha mafy hatrany ny hery famoretana ataon’ireo lazaina fa mpitandro filaminana ary tsy mihemotra koa, etsy ankilany, ireo mitaky ny famaranana tanteraka ny fahatapahan’ny herinaratra sy rano, ny kolikoly eto amin’ny firenena, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fanjariana rehetra eto amin’ity firenena ity. Ny amehezan’izy ireo azy moa dia ny hoe ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, sy ny forongony mihitsy no mila miala tanteraka eo amin’ny toerany. Na eo aza anefa izany rehetra izany dia hitohy tsy ho ela indray fa ny 8 oktobra izao ny andro faha 9 amin’ny fiadiana ny tapakila hankanesana any amin’ny amboara erantany eo amin’ny taranja baolina kitra amin’ny 2026, izay hihaonan’ny ekipam-pirenena malagasy na ny Barean’i Madagasikara amin’ny ekipam-pirenena kaomorianina ao amin’ny kianjan’i Félix Houphouét-Boigny ao Cote d’Ivoire manomboka amin’ny 7 ora hariva. Mbola hihaona amin’i Mali indray avy eo amin’ny andro faha 10, ny 12 oktobra 2025, ao amin’ny kianjan’ny 26 martsa ao Mali, manomboka amin’ny 10 ora alina kosa, ora eto Madagasikara hatrany. Andrasana, araka izany, raha hisy toerana voatokana ho an’ireo mpankafy na ho an’ny Fan zone amin’ireo fotoana ireo na tsia! Mbola hihevitra ny toe-draharaha ankehitriny ho toy ny mahazatra na hoe «normal» ihany ve ireo mitondra ny firenena amin’izao fotoana izao, izay ny sasany efa nahita tsipoapoaka tamin’ny entona mandatsa-dranomaso hatramin’ny 25 septambra teo nefa mbola izy indray no nanontany ny mpanao gazety hoe «fa maninona nefa izao?», ny sasany milaza fa tratran’ny tsindry avy amin’ny tekinolojia na «Cyber-attaque» ny tanora ka zary toy ny Olomby na «Robot» mihitsy?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-avril-2026

Mangataka ny hanoloana an'i Iran hampidirana an'i Italie

Card image cap
28-avril-2026

Nahavita ny azy ny tao Mandritsara

Card image cap
27-avril-2026

Tandindomin-doza ny baolina kitra ao Mahajanga

Card image cap