airtel

Sport

28-août-2023

Lalaon’ny Nosy eto Madagasikara

Mendrika ny mpilalao, afa-baraka ny Fanjakana

Sample post image

Mizotra makany amin’ny fahombiazana ny Lalaon’ny Nosy raha raisina eo amin’ny vokatra azo amin’ny fandrombahana medaly.

28-août-2023

Raha ny vokatra vonjimaika omaly takariva mantsy, mitarika lavitra amin’ny isan’ny medaly isika izay ny volamena no hanasokajiana azy, ka efa nahazo 43 I Madagasikara hatramin’ny andro faharoa omaly, raha toa ka 74 ny medaly rehetra efa azontsika (43 volamena, 15 volafotsy, 16 alimo), eo amin’ny laharana faharoa kosa I La Réunion izay manana medaly volamena 27, volafotsy 21, ary alimo 16. Eo amin’ny laharana fahatelo kosa I Maurice izay nahazo medaly volamena 11, volafotsy 22, alimo 36. Midika fa tena niezaka sy nanao ny ainy tsy ho zavatra ny atleta sy mpilalao Malagasy na teo aza ny lesoka samihafa tamin’ny fanomanana, toy ny ara-bola, ara-pitaovana, fotodrafitrsa,… Ankilany kosa, miharihary toy ny vay an-kandrina ny tsy fahatomombanana sy ny petatoko avy amin’ny Fanjakana, izay efa hita taratra hatrany am-boalohany. Iny niaraha-nahita sy niaina iny ny zava-doza tetsy Mahamasina izay namoizana ain’olon 12 sy naharatrana an-jatony, izay azo nosorohana tsara raha nahay naka lesona tamin’ny zava-nisy teo aloha, saingy ireny ny zava-nitranga. Mbola misy aza ny olon’ny fitondrana mbola manodina izany ho antony ara-politika. Ilay fihetsika sy fandihizana nataon’ny Filoha tetsy Mahamasina moa dia vao mainka niteraka kiana mivaivay izay ekena mety misy ny fahafaliana, fa nisy ihany koa ny fahoriana! Lasa any amin’ny seho ivelany sy fitadiavana doka no toa mahamaika, hany ny sary tiana haseho indraindray dia toa tiana hovoizina sy haodina hatrany any amin’ny hoe: vahoaka mpanohana fitondrana ireo liana sy tonga manome voninahitra, tahaka ireny natao tany Toliara ireny. Voninahitra sy laza no mahamaika satria tiana hojapiana amin’ny politika ny zava-drehetra amin’izao akaiky fifidianana izao, hany ka toa lasa manimba zavatra sy manaratsy endrika ilay lalao. Raha fahatsarana sy fahombiazana avo 10 heny noho ny tany Maorisy no nambara, dia azo hanasokajiana azy ho ratsy avo 10 heny noho ny tany Maorisy sahady iny nahafatesana olona am-polony iny, izay lasa manamaloka ny ezaky ny mpilalao. Tena mametraka avo ny vonahi-pirenena ny ezaky ny atleta sy ny mpilalao, fa miteraka fahafaham-baraka kosa ny lesoka samihafa ara-panomanana, fandaminana, fikarakarana,…
HAINGO AMBONY TSIKOKO
“Nijery aho, tena diso mahantra tahaka ny fampisehoana ! Betsaka ny “effets spéciaux” niaraka tamin’ny “drones” sy “effets lumineux” izany hoe: seho sy ravaka samihafa, saingy tsy misy zavatra tena goavana sy miavaka amin’ny lafiny ara-java-kanto. Tena lavitry ny zava-kanto mampihetsi-po izay azon’ny Malagasy atao tsara. Manana mpanakanto tena goavana sy matihanina I Madagasikara, saingy saika tsy nisy tazana tahaka an-dry Jaojaoby, Rossy, Ricky sy ny maro hafa, fa nomena tombondahiny ireo tanora izay tsy hita izay ilazana azy, “generation tik tok”, potiky ny zavatra iva lenta sy ny mozika elektronika”, hoy I Bruno Laurent, teratany vahiny naneho ny zava-mist. Notsiahiviny ny tantara tena nisongadina tamin’ny hetsika nataon-dry Rossy nandritra ny lalaon’ny Frankofonia ny taona 1997, izay voalaza fa tsy manam-paharoa hatramin’izay. Tokony nomena sehatra na farafaharatsiny natao nanolotsaina? Marina fa ny manao zavatra tsy mora, saingy henatra sy fahafaham-baraka no naterak’ireo olana sy tsy fahaiza-manao. Tsy tafiditra I Dally Randriantefy omaly tetsy amin’ny ACCSA Ambohidahy, raha saika hiditra hijery ny taranja tenisy fa hoe: lany ny tapakila, hany ka namoaka fanakianana mivantana tamin’ny tambajotran-tserasera, ary tafiditra ihany moa izy avy eo. Ity farany izay raha ny tena izy, dia mendrika mari-panajana ambony raha ny zava-bitany sy ny fitondrany ambony ny voninahi-pirenena: medaly volamena 3 tamin’ny lalaon’ny Nosy, medaly volamena 2 tamin’ny lalao Afrikanina, medaly volamena 2 tamin’ny lalaon’ny Frankofonia, tompondakan’I Afrika in-dimy,… Ny teny Ankatso, voatery natsahatra kely ny lalao volley ny sabotsy teo satria nitete ny “gymnase”. Tsy niafina tamin’ny vahiny ny loton’ny tanànan’Antananarivo satria tany amin’ny korontana sy ny fako no nolalovan’ireo delegasionina Maorisianina raha ny tazana teny amin’ny Pavillon Analakely omaly,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap