airtel

Sport

12-janv-2022

Sport

Lalatiana Rakotondrazafy “Lafo loatra ny fisitrahana ny CAN amin’ny TVM…”

Sample post image

Mitady vahaolana handefasana ny lalao CAN 2022, amin'ny haino amanjerim-pirenena Malagasy ny minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina amin'izao fotoana izao,

12-janv-2022

 hoy ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy omaly. Nambara fa mitentina maherin'ny 2 lavitrisa ariary ny vidin'ny fahafahana mandefa ny lalaon'ny CAN. "Efa nisy ny ady varotra natao tamin'ny Union Africaine des Radios na ny UAR, ka maherin'ny 1 miliara ariary no farany azony nekena" , hoy izy. “Tsiahivina fa ity sehatra afrikana ity irery ihany no manana fahazoan-dalana mivarotra izay fahafahana mandefa ny lalao izay”, hoy hatrany ny fanazavana. Noho izany, ''tsy hiroso amin'ny fandoavana io lelavola io ny minisitera, indrindra ao anatin'izao vanimpotoan'ny fahasahiranana vokatry ny Covid-19 izao'', hoy ny Minisitry ny serasera. Nohamafisiny kosa fa mitady vahaolana hafa ny minisitera, ahafahana mandefa mivantana izany. Anisan'izany ohatra ny fifanarahana amin'ireo haino aman-jery any ivelany nahazo ny fahafahana mandefa ny lalao. Eo koa ny mety ahazoana mandefa izany any amin'ny ampahavalon-dalana na ampahefa-dalana. Hatramin’izay na sahirana ny firenena na tsy sahirana, na nanam-bola na tsy nanana, dia afaka nisitraka ny lalao rehetra tamin’ny CAN nisy ny Malagasy, afaka nojerena tamin’ny fahitalavi-pirenena TVM. Ankehitriny, amin’izao andron’ny Fanjakana tompondakan’ny “werawera” sy ny sekoseho ary ny kisehoseho ivelany izao indray no tsy afaka misitraka izany. Tsy te hahalala izay olana any ny olona, fa ny fantany dia hatramin’izay afaka nahita CAN milamina tsara ny rehetra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap