airtel

Sport

14-sept-2026

Ligue des Champions CAF

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Sample post image

Nanoratra tantara ny CFFA ao

14-sept-2026

anatin'ny Ligue des champions CAF. Noravain'ny ekipan'Andoharanofotsy ny "1er tour dia vita" satria tafita amin'ny fiodinana faharoa anatin'ny dingana savaranonandon'ity fifaninanana lehibe aty Afrika ity izy ireo. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1, ny CFFA sy ny Lijabatho Fc Lesotho ny sabotsy teo tamin'ny lalao famerenana tatsy Afrika Atsimo, raha toa ka efa nandresy 2-0 isika tamin'ny lalao mandroso. I Tendry, lohalaharan'ny Disciples Fc, nampiditra ny baolina ho an'ny CFFA rehefa nahazo tolotra tsara avy amin'i Fabrice, ary maro ireo baolina tokony ho tafiditr'izy ireo saingy azon'ny mpiandry tsatoby avokoa ny handrana nataon-dry Christiano, sy ry Fitahiana ary Tahina.... Miandry azy ireo eo amin'ny dingana manaraka ny Young Africans ekipa Tanzanianina, isan'ny mafy sy matanjaka aty Afrika. Ity klioba ity izay nandavo ny Gaboronne United rami isa 3-2 ny sabotsy teo. Marihina fa nisy ny fangatahan'ny Malagasy am-pielezana na diaspora ary teo ihany koa ny dinika natao tao amin'ny ministeran'ny raharambahiny tamin'ny herinandron'ny 8 septambra, ka nanohana araka izay tratra ny CFFA ny Masoivoho any Afrika Atsimo Toavina Ralambomahay. Tsy voalohany izao fa toy izao koa ny ny judoka tamin'ny volana jona 2026,... A ENCADRER Andaniny, ho an'ny fiadiana ny amboaran'ny CAF, resy fanindroany 2-0 ny FC Rouge nanoloana ny Red Arrows, ka tapitra hatreo noho ny dian’izy ireo eo amin’ny Coupe de la Confédération. Niezaka niady sy nisolo tena an’i Madagasikara izy ireo, saingy izay aloha no vita, ary miezaka manarina any aoriana.
Toky R
 

Dans la même rubrique