airtel

Sport

01-juin-2026

Ligue des champions

Norombahin’ny PSG fanindroany ny amboara

Sample post image

Nikatona tanteraka ny sabotsy teo

01-juin-2026

tany Budapest Hongrie ny Ligue des champions 2026 eo amin’ny sehatry ny baolina kitra Eoropeanina. Nobatain’ny Klioba Frantsay Paris Saint-Germain na ny PSG fanindroany ny tompondaka, ka nampiakatra ny amboaran’ny LDC 2026 ho 2 ho azy ireo azy ireo, tao anatin’ny roa taona nisesy. Voatazon’ny ekipan’i Louis Enrique ny anaram-boninahitra satria izy ireo no tompondaka ny taona 2025, rehefa nanamontsana an’i Inter de Milan 5-0. Tany amin’ny «tirs au but » kosa vao tafavoaka ho mpandresy ny PSG nanoloana an’i Arsenal, ka 4-3 no nisarahana. 1-1 no nisarahana tao anatin’ny fotoana ara-dalàna sy ny fanalavam-potoana. Ny Arsenal no nanokatra ny isa voalohany tamin’ny alalan’ny Kai Havertz vao teo amin’ny faha-6 minitra tamin’ny alalan’ny valim-panafihana, na ny PSG aza no niezaka nifehy ny lalao sy nanodikodim-baolina. Penalty nodakan’i Dembélé teo amin’ny faha-65 minitra kosa no nanasahalan’ny PSG ny isa rehefa voa tao anaty faritra tsy azo ivalozana i Kvaratskhelia. Somary nampiady hevitra ihany ity penalty azon’ny PSG ity, fa nisy ihany koa ny fanapahan-kevitra hafa na ho an’ny andaniny na ny ankilany nampiady hevitra, toy ny baolina nandalo tamin’ny tanan’i Saka tao anaty faritra tsy azo ivalozana. Saika nanampy ny isa ny PSG, saingy nidona tamin’ny tsatoby ny dakan’i Kwartsela, tamin’ny alalan’ny valim-panafihana tampoka teo amin’ny faha-76 minitra. Nisy fihetsika heverina fa fahadisoana azon’ny Arsenal teo amin’ny faha-101 minitra fa tsy notsofin’ny mpitsara, tsy nojerena ny VAR na nihorakaroka sy nitaky izany aza ny mpanazatra sy mpilalao. Na izany aza, nanatombo tamin’ny fifehezana ny lalao ny PSG (60,3%-39,7%). Mahatratra 149,9 tapitrisa ny vola azon’izy ireo noho ny vokatra rehetra tamin’ity LDC 2026 ity, tafita hiatrika ny Supercoupe de l’UEFA,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

miezinezina ny Ankoay lehilahy

Card image cap
04-juin-2026

ara-kianja, Mahamasina tsy mety milamina…

Card image cap
04-juin-2026

Ho entitra ny fikarakaràna ny hetsika

Card image cap