airtel

Sport

13-févr-2025

Lilian Raolisoa

Nandà tsy ho kaomorianina, andrandraina ho Barea

Sample post image

Tsy kaomorianina aho, hoy ny vodilaharan’ny Angers SCO, klioban’ny baolina kitra frantsay, Lilian Raolisoa,

13-févr-2025

namaly ny fanontaniana napetraky ny mpanaraka azy anaty tambazotran-tserasera raha mazoto hanatevin-daharana ny ekipam-pirenena kaomorianina. Nandà tsy ho kaomorianina, araka izany, ity mpilalao teratany malagasy mizaka zom-pirenena frantsay ity, raha ny fantatra hatreto aloha. Heverina fa azo andrandraina ho Barea na isan’ireo hanatevin-daharana ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra kosa ny tovolahy ao anatin’izao faha 24 taonany izao. Azo lazaina ho isan’ny andry ao amin’ny fiarovana ny ankavanan’ny kianja ao izy, raha ny vatana sy ny refiny 1,78 metatra, ary azo lazaina ho mampahatsiahy ilay reharehan’ny kitra frantsay teo aloha ny taona 1998 hatramin’ny 2006, Lilian Thuram, mihitsy aza.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-mars-2025

Tanterahana manomboka anio hatramin’ny alahady 16 martsa izao any Thailande

Card image cap
14-mars-2025

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy moa iny ireo mpilalao miisa 26 voaantso

Card image cap