airtel

Sport

28-juil-2026

Lucas Rakotozafy

Isan’ny vodilaharana tsara indrindra ao Frantsa

Sample post image

Tompon-toerana na «titulaire»

28-juil-2026

avy hatrany ny tovolahy malagasy vao 19 taona, Lucas Rakotozafy, nandritry ny lalao fanomanana ny fifaninanana hitranga eo amin’ny taranja baolina kitra ho an’ny taom-pilalaovana 2026-2027, raha ny mikasika ny fihaonan’ny ekipany dia ny Pau FC, divizionina faharoa frantsay, sy ny Real Sociedad, klioba espaniolina, ny faran’ny herinandro teo. Azo lazaina ho isan’ireo vodilaharana tsara indrindra ao Frantsa ankehitriny ny lehilahy amin’izao fotoana izao, raha ny fahitàn’ireo tekinisianin’ny baolina kitra azy. Hatreto dia ny fifaninanàm-pirenena ho an’ny latsaky ny 20 taona na U20 moa no fifaninanana andraisany anjara. Mitana ny toeran’ny vodilaharana afovoany ity vodilaharana malagasy mirefy 1,87 metatra ity, raha ny fanazavàna hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-juil-2026

Ao anatin’ny tanjany tanteraka

Card image cap