airtel

Sport

22-janv-2025

Mpanazatra vaovaon’ny Barea

Andrasana toa an’Ambatobevohoka

Sample post image

Efa ho 2 volana izao no ivon’ny adihevitra teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra malagasy

22-janv-2025

ny hoe iza ihany no ho mpanazatra vaovaon’ity ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barean’i Madagasikara ity? Anarana tekinisianina vahiny maromaro no efa nandalo teo anivon’ny fampahalalam-baovao samihafa ary isan’ny sosokevitr’ireo tekinisianina mihitsy aza ny sasany tamin’izy ireo saingy nambara ho tsy tao anatin’ireo ho fantenina farany tampoka indray. Isan’ireo anarana voatonona matetika ny an’ireo franko-portogey Anthony Da Silva sy Corentin Da Silva. Itsy voalohany moa no tena sosonkevitr’ireo tekinisianina sy mpamakafaka samihafa. Isan’ireo nisy nitanisa teny koa ny anaran-dry Oumar Tchomogo sy Dragan Cvetkovic ary ilay tekinisianina frantsay nanazatra farany teo, Gilles Hugon. Hatramin’izao dia andrasana toa an’Ambatobevohoka tampoka nefa moa izay anarana mpanazatra vaovao izay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

Iaro Razanakoto, antsoina hoe Jormmanbou, dia anisan’ny olo-malaza amin’ny hazakazaka

Card image cap
19-mai-2025

Mety farany vao misy ventiny ity andiany faha-28 n’ny Jeux Corporatifs

Card image cap
19-mai-2025

Resin’ny FDM Sofia tamin’ny isa 3 noho 1 ny FC Mananjary V7V‚ tamin’ny lalao

Card image cap