izany hoe ireo tafiditra ho isan’ireo ‘’11 types’’ na 11 mendrika. Ilay mpiandry tsatoby senegaley, Pape Sy, no mpiandry tsatoby mendrika indrindra. Mbola senegaley ihany koa ny roa amin’ireo vodilaharana dia I Mamadou Sane sy Ousmane Diouf. Manampy azy ireo ao ilay alzerianina, Ayoub Abdellaoui sy ilay ivoarianina, Adamou Djibo. Mbola senegaley, Lamine Kamara, indray no irakiraka mpiaro na “milieu defensif”. Miaraka aminy ao ny alzerianina, Houssem Mrezigue. Rakool na Koloina Razafindranaivo, Dax na Arohasina Andrianarimanana, Tsiry Tokinantenaina, izay samy mpilalaon’ny ekipam-pirenena malagasy na Barea avokoa kosa no namiratra indrindra tamin’ny fanafihana niainga tao afovoan’ny kianja tao. Midika izany fa mafy isika teo amin’iny lafiny iny saingy nisy lesoka ihany tao amin’ny lohalaharana tao na ny famonoam-baolina moa izany no marimarina kokoa rehefa jerena ireo “occasion” na tolotra tokony hiditra tamin’ireo lalao natrehina rehetra, raha tsy hilaza afa-tsy ny tamin’ny fihaonana tamin’I Niger farany teo fotsiny. Lesoka mbola azo harenina tsara izany fa tamin’ity aloha izany dia lasan’ilay alzerianina, Aymen Rahjous, ny lohalaharana mendrika indrindra nandritry ny fifaninanana manontolo.
J. Mirija
Manomboka tafiditra tsara i Rayan Raveloson ao amin’ny BSC Young Boys
Ny alahady teo no niala teto Madagasikara ny mpanazatra vaovaon’ny ekipam-pirenena