sokajy zandriny 2023, «Championne d'Afrique senior 2023», izany hoe mbola tompondaka koa teo amin’ny sokajy zokiny, «Medaille d'or Jeux Africains 2024", izany hoe, nahazo medaly volamena indray fa amin’ny lalao afrikanina izy ankehitriny. Andihizan'i Laura Rasoanaivo ny Taranja Judo latsaky ny 70kg eto Afrika, araka izany. Raha efa voasokajy ho tsara toerana hahazo ny medaly volamena tamin'ity lalao afrikanina ity izy dia tsy nandiso fanantenana. Mora ho azy ny nandeha tamin'ny lalao famaranana omaly ary nandrombaka ny laharana voalohany. Ny avy atsy Kameronina, Zita Ornella, moa no nifandona taminy teo amin'ny lalao famaranana. Medaly volamena faharoa ho an'ny malagasy ity taorian'i Eric Andriantsitohaina, teo amin'ny Halterophilie na fibatana fonjamby. Ny tanjon'i Laura moa amin'ity taona ity dia ny lalao Olympika any Parisy ary efa miomana mafy ho amin'izany ny tenany, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
Mialohan’ny hiatrehan’ny Maky Lahy sy vavy ny fifaninanan’ny AROI 2025 izay hatao eto
Mitohy ary tsy hifarana raha tsy ny faha 22 aprily izao ny fisoratana anarana amin’ny lalao