airtel

Sport

28-août-2023

Nangotraka ny ady baolina teny Ambohimanarina

Nanolotra omby, ondry, vola, ary kalisy ny depiote Todisoa

Sample post image

Nangotraka indray ny ady baolina kitra tetsy amin’ny Kianjan'i Todisoa Ambatolampy Ambohimanarina)omaly alahady 27 aogositra 2023.

28-août-2023

Notanterahina io omaly io ny famaranana lehibe sy fiadian-toerana ho an’ireo sokajy rehetra nanaovana fifaninanana, ka ny Depiote Todisoa Andriamampandry hatrany no mpiahy izany. Tsy mpiahy sy mpanohana fotsiny fa tena mpandray anjara mihitsy ingahy depiote omaly, tahaka ny efa hita mahazatra. Taorian’ny fahaperan’ireo lalao, nanolotra omby, ondry, lelavola, kalisy, baolina ho an’ireo ekipa ny tenany, ka sahazo ny anjarany avokoa na ny voalohany, na faharoa, na fahatelo tamin’ireo sokajy nifaninanana na ny “Séniors”na “Juniors” na “Vétérans”. Tahaka ny mahazatra, tonga navitrika hatrany ny vahoakan’Ambohimanarina satria faran’ny herinandro tsy fiasana rahateo, ka sady fialam-boly no fanohanana ihany koa ireo mpitia fanatanjahantena. Isan’ireo boriborintany mahoraka amin’ny hetsika ara-panatanjahantena rahateo ny Boriborintany fahaenina. Nanamafy fa manohana hatrany ny tanora sy ny fanantajahantena ny Depiote Todisoa, ary mitondra ny anjara biriky araka izay azo atao mba ho fivoaran’ny tanora sy ny vahoakan’Ambohimanarina. Tsy vao sambany rahateo ny tahaka izao, fa efa fanaony matetika, ary misy fotoana aza hitondrany ireo tanora mpitia fanatanjahantena mendrika, mandeha mandrato lalao any amin’ny faritany. Maro ihany koa ireo asa sosialy fanaony satria vao avy nahavita ny didipoitra faobe taorian’ny “cours” maimaimpoana ho an’ireo niatrika fanadinana bakalorea, ankoatra ireo hetsika hafa tsy ho ary ho voatanisa.
Toky R

 

Dans la même rubrique

14-févr-2025

Tapitra anio ny fitsirihan’ireo teknisianina roa avy amin’ny CAF sy avy amin’ny FIFA,

Card image cap
13-févr-2025

Tsy kaomorianina aho, hoy ny vodilaharan’ny Angers SCO, klioban’ny baolina kitra frantsay, Lilian Raolisoa,

Card image cap